Lalaon’ny Nosy: Notolorana mari-boninahitra ireo Atleta nitondra avo ny hambopom-pirenena

  • lundi, 12 août 2019 22:26
  • Sary nomena

Notoloran'ny Filoham-pirenena mari-boninahitra ireto mpanao fanatanjahantena sy mpanazatra azy ireo androany 12 aogositra 2019, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha. Miisa 13 ireo Atleta nahazo medaly volamena mihoatra ny roa izay nosalorana ny mari-boninahitra “Chevalier de l’Ordre national”. Atleta 78 nahazo medaly volamena nahazo ny mari-boninahitra « Commandeur de l'Ordre de Mérite Sportif », 61 medaly volafotsy nahazo ny « Officier de l'ordre du mérite sportif », ary 63 medaly alimo nahazo ny « Chevalier de l'ordre du mérite sportif ».

« Mampirisika hatrany ny mpanao fanatanjahantena aho », hoy ny Filoham-pirenena ka « nampitomboina avo efatra heny ihany koa ny fandrisika an'ireo Atleta sy mpanazatra amin'ity taona ity ka mahatratra 305.750.000 Ariary ny totalin'izany ». Efa nampitomboina ihany koa ny teti-bolam-panjakana natokana ho an’ny fanatanjahantena mba hanatsarana ny fanomanan’ireo Atleta hiatrika fifaninanana na nasionaly izany na iraisam-pirenena.

Hantsangana eny amin’ny renivohi-paritany rehetra ihany koa ireo fotodrafitrasa manara-penitra hikarakarana ireo mpanao fanatanjahantena amin’ny fihaonana avo lenta. « Tsy maintsy tohanana ny tanora, satria rehefa ny tanora no mitraka dia mandroso i Madagasikara », hoy ny Filoha Andry Rajoelina.

Laharana faharoa i Madagasikara nandritra ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-X notanterahina tao amin’ny nosy Maorisy farany teo. Nibata medaly miisa 127 ireo Atleta Malagasy, ka volamena ny 49, volafotsy ny 46 ary alimo ny 32.

Nanotrona izao fanomezam-boninahitry ny Atleta izao ny minisitry ny tanora sy fanatajahantena, Tinoka Roberto, izay nikarakara ireto Atleta ireto, na teto an-toerana na tany Maorisy nandritra ny fifaninanana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.