Kitra - CHAN 2020 : Namibia no adversera manarak’i Madagasikara

  • dimanche, 04 août 2019 22:49
  • Sary nindramina

Samy manohy ny dia, tafakatra ho amin’ny dingana faharoa amin’ny fifanintsanana amin’ny CHAN 2020 i Madagasikara sy Namibia. Namibia no ekipa manaraka hifandona amin’i Madagasikara.

Voatazon’i Comores ady sahala samy tsy nitoko i Namibia tamin’ny lalao miverina tany Namibia androany. Efa nandresy 2 noho 0 anefa i Namibia tamin’ny lalao mandroso tany Comores ka io no mitondra azy ireo ho amin’ny dingana manaraka.

Nitovy ny fitambaran’isa (3 noho 3) tamin’ny lalao mandroso sy miverina teo amin’i Madagasikara sy Mozambika. Nanana tombony tamin’ny baolina tafiditra tany an-tanin’olona anefa ny Barena an’i Madagasikara, ka io no niakarany amin’ny dingana faharoa amin’ny fifanintsanana amin’ny CHAN 2020.

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.