Marco Ilaimaharitra: Mpilalao mendrika tamin’ny lalaon’i Madagasikara sy Burundi

  • jeudi, 27 juin 2019 21:33
  • Sary nindramina

“Man of the Match”, “L’homme du match”, voahosotra ho mpilalao mendrika nandritra ny lalao nifanandrinan’ny Barea an’i Madagasikara sy ny “Hirondelles” an’i Burundi, i Marco Ilaimaharitra.

Izy no namono ny baolina tokana tafiditra teo amin’ny minitra faha-76, antoky ny fandresen’ny Barea tamin’ity lalao ity, izay notanterahina tao Alexandrie androany hariva.

Lalao faharoa natrehin’ny Barea amin’ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra io.

Tamin’ny lalao voalohany nifandrinan’i Madagasikara sy Guinée, samy ao amin’ny vondrona B, ny 22 jona 2019 dia voahosotra ho Mpilalao mendrika tamin’io lalao io ihany koa ny mpilalao Malagasy, i Abel Anicet. Izy no mpilalao Malagasy voalohany, namono ny baolina voalohany teo amin’ny tantaran’ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ny CAN.

Nirava ady sahala 2 noho 2 i Madagasikara sy Guinée tamin’io lalao voalohany io.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.