Kitra-CAN 2019: Hiatrika lalao faharoa ny Barea anio

  • jeudi, 27 juin 2019 15:05

Hihaona i Madagasikara sy Burundi anio amin’ny 5ora sy sasany, ao amin’ny kianjan’i Alexandrie any Egypta, lalao faharoa atrehin’ny ekipa roa tonta samy ao amin’ny vondrona B, ary samy sambany tonga amin’ny dingana famaranan’ny CAN, iadiana ny Amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra.

Vonona hanoratra tantara ny Malagasy hiakarana amin’ny dingana manaraka. Ny fihaonana anio hariva io ihany koa anefa no hamaritra ny tohin’ny dian’i Burundi. Raha resy fanindroany eo mantsy i Burundi dia efa namany mangoron’entana.

Nizeria sy Egypta no efa tafakatra sahady ho amin’ny dingan’ny ampahavalon-dalan’ny CAN.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.