Kitra-CAN 2019: "Vonona hanolotra ampahavalon-dalana ho an'ny Malagasy ny Barea'', hoy i Bolida

  • mardi, 25 juin 2019 22:51
  • Sary: Alefa Barea

"Ny fahatafitanay any amin'ny ampahavalon-dalana no fanomezana tinay hatolotra ny vahoaka Malagasy amin'izao fetim-pirenenay izao.", hoy i Lalaina Nomenjanahary na Bôlida androany nandritra ny valandresaka ho an'ny mpanao gazety mialoha ny lalao hifanandrinan'ny Barea Madagasikara amin'i Burundi, lalao faharoa hatrehin'ny ekipa roa tonta ao amin'ny vondrona B.

"Vonona hanome lalao tsara ho an'ny Malagasy izahay", hoy hatrany i Bôlida.

Nanamafy izay fahavononan'ny mpilalao izay ihany koa ny mpanazatra Nicolas Dupuis. Ity farany izay nilaza fa sitrana avokoa ireo mpilalao naratra, izay tsy afaka niatrika ny lalao voalohany nifandonan'ny Barea tamin'i Guinée.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.