CAN 2019 - Barea: Natolotr'i Anicet an'ny filoha Rajoelina ny "maillot" nisalorany

  • lundi, 24 juin 2019 10:35
  • Sary nindramina

I Abel Anicet no mpilalao Malagasy voalohany nampidi-baolina voalohany tamin'ny fandraisana anjara voalohan'ny ekipam-pirenena Malagasy amin'ny fiadiana ny amboaran'i Afrika amin'ny baolina kitra.

Natolotr'i Anicet ho an'ny filoha Andry Rajoelina ny ankajo nanaovany ka namonoany io baolina voalohany io, tamin'ny fifanandrinan'i Madagasikara sy Guinée.

Ny ministry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena Tinoka Roberto, izay misolotena ny fitondram-panjakana, manohana tanteraka ny ekipan'ny Barea, no nampitaina izany "maillot" izany, ka anome azy ny filoha Andry Rajoelina.

Nirava ady sahala 2 noho 2 i Madagasikara sy Guinée tamin'io lalao omaly alina io. Carolus no namono ny baolina faharoa ho an'ny Malagasy.

Nanohana an'ny Barea ara-bola 700.000.000 Ariary ny Fanjakana iatrehana ny CAN any Egypta. Nankasitraka ny zava-bitan'ny Barea tamin'ny lalao voalohany natrehiny omaly ny filoha Andry Rajoelina. 

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.