Kitra CAN 2019: Mangataka ny ahafahan'ny rehetra mijery azy

  • lundi, 17 juin 2019 19:46

Mankasitraka ny fitondrana nanao ezaka ahitana ny CAN iray manontolo amin'ny fahitalavitra,

Mbola mangataka amin'ny anaran'ny maro, raha mbola azo atao ny mifampiraharaha amin'ireo tompon'antoka amin'izany, mba ho azo alefa amin'ny canal+, blueline, startimes, TVM sur facebook, satria ny olona tsy mahita TVM fotsiny.

Ambiance goavana izy io, betsaka ny tsy manana télé, na manana fa hafa ihany ny miaraka, raha mba azo atao ny mandefa azy ankalaman-jana, eny amin'ny parvis Hotel de ville ireny, tranom-pokonolona, ny bistrot sy restaurant, na eo amin'ny kianjaben'ny Mahamasina.

Tsy azon'ny olona manko ilay resaka droit de diffusion, fa aminy hoe mandeha télé io, dia ataovy ao anaty tranom-pokolona dia miara-mijery ny mpianakavy.

Sady ampiroborobo ny tsenan'ireo mpanao masikita sy pizza ary zava-pisotro anie izany e, ny mivoaka amin'ny tanana ilany, ampidirin'ny tanana ilany.

Mirary soa e
Tsy solombavambahoaka fa mitondra ny hetahetam-bahoaka.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.