Kitra - Lalao ara-pirahalahiana: Nirava ady sahala Madagasikara sy Luxembourg

  • lundi, 03 juin 2019 12:22
  • Sary nindramina

3 noho 3, io no isa nisarahan’i Madagasikara sy Luxembourg tamin’ny lalao ara-pirahalahiana natao omaly tao Luxembourg. Lalao tafiditra amin’ny fanomanan-tenan’ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny baolina kitra mialoha ny hiatrehana ny CAN 2019 hatao any Egypta.

Efa nitarika an’isa 3 noho 1 ny Barea Madagasikara, no nosahalain’i Luxembourg tany amin’ny minitra farany ny baolina roa nisesy.

Hiverina ao Lisses (Essonne – Frantsa) indray ny Barea manohy ny famondronana, mialoha ny hiatrehany ny lalao ara-pirahalahiana faharoa hifandonany amin’i Kenya, amin’ny zoma 7 jona izao.

Tsy nisy fampitana mivantana tamin'ny fahitalavitra ny lalao araka ny fampitam-baovao nataon'ny Comité de normalisation.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.