Kitra - « Premier League »: Mpanazatra mendrika i Pep Guardiola

  • mercredi, 15 mai 2019 11:01
  • Sary nindramina

Voahosotra ho mpanazatra mendrika any amin’ny « Premier League » anglisy tamin’ity taom-pilalaovana hivalona ity, i Pep Guardiola. Nihoarany ilay teknisianina alemana Jürgen Klopp, mpanazatra an’i Liverpool.

Teratany espaniola i Pep Guardiola, 48 taona ny lehilahy ankehitriny. Mpanazatra ny klioban’ny Manchester City nanomboka tamin’ny 2016 izy. Ny Manchester City izay vao avy voahosotra ho tompondakan’i Angletera tamin’ity taom-pilalaovana ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.