Baolina kitra: Nitarina ny fe-potoana iasan’ny « Comité de Normalisation »

  • mardi, 14 mai 2019 15:28

Nohalavan’iny Federasiona Iraisam-pirenena momba ny baolina kitra (FIFA) hatramin’ny volana septambra 2019 ny taom-piasan’ny « Comité de Normalisation » araka ny taratasy nalefan’ny FIFA.

Tapitra tamin’ny 12 mey 2019 fe-potoam-piasan’ny « Comité de Normalisation » no anton’io fanitarana io indray.

Iraka ampanaovina ity « Comité de Normalisation » ity ny hikarakara ny fifidianana ny filohan’ny Federasiona malagasy ny baolina kitra (FMF) sy filohan’ny ligy, ary hanatsara ny lalàna momba ny fifidianana ireo tomponandraikitra samihafa amin’ny rafitra misy amin’ny baolina kitra eto Madagasikara, mifanaraka amin’ny rafitra iraisam-pirenena.

Hisy ny iraka manokan'ny FIFA ho avy eto Madagasikara handinika ny tohin’ny fanomanana ny fifidianana FMF.

Ramatoa Atallah Béatrice moa no filohan'izany « Comité de Normalisation » izany izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.