Kitra: Hita ny nofomangatsiakan’ilay mpilalao teratany arzantina Emiliano Sala
- vendredi, 08 février 2019 10:43
- Sary nindramina
Voamarina fa ny vata mangatsiakan'i Emiliano Sala no hita tao anatin’ilay korontam-by sisan’ilay fiaramanidina kely, raikitra tao ambany ranomasin'i La Manche.
Mpilalao tao amin’ny FC Nantes (Frantsa) i «Emi» na «Jaja» araka ny fiantson’ireo namany azy ary nifindra ao amin’ny klioban’i Cardiff (Pays de Galles). Hiazo an’i Cardiff indrindra izy ny harivan’ny 21 janoary 2019, no tra-doza ny fiaramanidina nitondra azy.
Emiliano Sala sy Dave Ibbotson izay mpanamory ny fiaramanidina no hany tao anatiny. Tsy mbola hita ny vatan’ity mpanamory ity.
28 taona i Sala izao nindaosin’ny fahafatesana izao. "Dada, tena matahotra mafy aho" io no teny farany tamin'ny antso an-tariby nifandraisany tamin'ny rainy nialohan'ny nanjavonan'ny fiaramanidina nitondra azy.
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
http://gasypatriote.com/sport/item/18189-kitra-hita-ny-nofomangatsiakan%E2%80%99ilay-mpilalao-teratany-arzantina-emiliano-sala.html#sigProGalleria44ea57cb1d
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.