Kitra: Lasan’i Luka Modric ny « Ballon d’or » 2018

  • mardi, 04 décembre 2018 13:54

Tontosa halina ny fankasitrahana ireo mpilalao mendrika nandritra iny taom-pilalaovana lasa iny, nokarakarain’ny France Football.

Misalotra ny « Ballon d'or» 2018 i Luka Modric teratany Kroaty, milalao ao amin’ny Real Madrid.

Teo amin’ny laharana faharoa ilay Portogey Cristiano Ronaldo
Laharana fahatelo ilay Frantsay Antoine Griezmann, mpilalaon’ny Athletico Madric.

Lasan’i Kylian Mbappé ny amboara « Kopa » natokana ho an’ireo mpilalao latsaky ny 21 taona, izy koa no teo amin’ny laharana fahaefatra.

Ilay teratany norvezianina Ada Hegerberg no sambany notolorana ny « Ballon d'or » ho an’ny mpilalao kitra vehivavy.

Mpanao gazety miisa 180 teo no nandray anjara tamin’ity fifidianana ireo mpilalao ireo izay voasivana tamin’ny maro.

(Jereo Sary Tohiny)

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.