Universiade 2018: 1000 eo ny mpandray anjara eto Ambositra

  • mardi, 20 novembre 2018 19:56
  • Sary nomena

Andro fahatelo androany amin'ny Universiade, izay fifaninanana ara-panatanjahantena ikatrohan'ny mpianatry oniversite sy ivontoerana ambony miankina amin'ny fanjakana.

Andiany faha-4 ity tanterahina mandritra ny herinandro eto Ambositra. Mizotra tsara ny fifaninanana hatreto, hoy Raveloson Mamitiana, mpikarakara.

Manodidina ny 1000 eo ny mpandray anjara miaraka amin'ny mpampiantrano. Manana solontena betsaka amin'izany i Mahajanga, misy atleta 200 latsaka kely.

Taranja miisa 11 no ifaninanana toy ny kitra, baskety, hand-ball lahy sy vavy, atletisma, tsipy kanetibe, échec, karaté, judo, judo (fampisehoana), tennis ary tennis de table.

Ny sabotsy 24 novambra, andro famaranana ny fifaninanana no anolorana ny amboara sy medaly ho an'ny mpandresy sy mendrika. Mialoha an'io, ny zoma dia hisy savik'omby, taranja sady kolontsaina izay mampiavaka an'Amoron'i Mania.

Ity Universiade 2018 ity no fifaninanana ara-panatanjahantena nasionaly goavana indrindra ampiantranoan'Ambositra, ary koa Universiade voalohany tanterahina ivelan'ny renivohi-paritany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.