Tsipy kanetibe: Mankalaza ny faha-15 taonany ny Club Bouliste UNOH Antsirabe

  • mercredi, 24 octobre 2018 09:44
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Hetsika goavana no hanamarihana ny faha-15 taona nijoroan'ny CBU (Club Bouliste UNOH) tarihin'i Dr Rasamimanana Honoré Gabriel, filoham-boninahitry ny klioba.

Fiara iray na vola 6 tapitrisa Ariary no loka amin’ny fifaninanana nampitondraina ny anarana “Grand Open”, hatao eny amin’ny kianjan’ny Star Antsirabe.

Isan’ny klioba matanjaka eto Madagasikara ny CBU. Efa maro ny amboara azony nanerantany sy taty Afrika, ary isan’ny namokatra mpialao kalaza koa.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.