Kitra – Ligy Matsiatra Ambony: Voafidy ho filoha i Raby Myriame

  • dimanche, 21 octobre 2018 18:19

Tontosa omaly tolakandro tao amin’ny Lapan'ny Faritra Matsiatra Ambony, rehefa nifanolanana amam-bolana maro, ny fifidianana ny filohan’ny Ligin’ny baolina kitra Matsiatra Ambony.

Enina ny mpifaninana, voafidy ho filoha nahazo isam-bato 5 Rtoa Raby Razafinambinina Myriame Eléonore, natolotry ny Zanakala, vavy tokana tamin’ireo mpirotsaka hofidiana ary vady andefimandrin’i Mamindraibe Rasolotafika, filohan’ny federasiona Malagasy kick-boxing.

Nanatrika fifidianana ny vaomiera mahaleotena mikarakara ny fifidianana (CNE foot-ball), solontenan'ny ministeran’ny tanora sy fanatanjahantena ary ny avy amin’ny foibem-paritry ny fanatanjahatena Matsiatra Ambony.

Sambany no vehivavy ny filohan’ny ligin’ny kitra Matsiatra Ambony. Raby Myriame no mandimby toerana an’i Rarison Hilarion.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.