Kitra-CAN 2019 : Tonga alina ny Barea

  • mardi, 16 octobre 2018 07:20
  • Sary nindramina

Tara fiaingana tany Malabo Guinée Équatoriale noho ny antony teknika, alina no nigadona an-tanindrazana ny mpilalaon'ny Barea Madagasikara.

Nivantana avy hatrany teny amin'ny Complexe Sportif Vontovorona izy ireo. Eny no mipetraka sy manoman-tena hiatrika ny lalao famerenana amin'i Guinée Équatoriale anioTalata 16 oktobra, eny Vontovorona.

Nandresy an'i Guinée Équatoriale tamin'ny isa 1 noho 0 i Madagasikara tamin'ny lalao mandroso natao tamin'ny sabotsy 13 oktobra lasa teo.

Efa manomboka ny fivarotana tapakila sy ny fidirana ety amin'ny Kinja Vontovorona.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.