Kitra-CAN 2019: Higadona an-tanindrazana anio ny Barea

  • dimanche, 14 octobre 2018 15:37

Anio alahady no hotafaverina eto Madagasikara, amin'ny fiaramanidina manokana ny ekipam-pirenena Malagasy amin'ny baolina kitra rehefa avy nandresy 1 noho 0 ny ekipan'i Guinée Équatoriale, nandritra ny lalao mandroso natao omaly, sady andro fahatelo amin'ny fifanintsanam-bondrona hiadiana ny tapakila ho amin'ny dingana famaranana ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika izay hatao any Cameroun amin'ny 2019.

Hivantana avy hatrany eny amin'ny Complexe Sportif Vontovorona izy ireo, eny no hipetraka, hanao fanazarantena hiatrehana ny lalao miverina amin'i Guinée Équatoriale amin'ny talata 16 oktobra ho avy izao.

Efa tomombana ny fandraisana io lalao io, raha ny fanazavan'ny filohan'ny Federasiona Malagasy amin'ny Baolina Kitra, Doda Andriamiasasoa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.