Sport

    • vendredi, 02 août 2019 14:16
    • Sary nindramina

    Kitra - COSAFA Women 2019: Madagasikara 5 – 1 Comores

    Nibata fandresena i Madagasikara tamin’ny lalao faharoa natrehiny ao amin’ny Vondrona A misy azy amin’ny COSAFA Women 2019 tanterahina atsy Afrika Atsimo. Nandresy an’i Comores tamin’ny isa 5 noho 1 i Madagasikara androany. Voahosotra ho mpilalao mendrika sady nampidi-baolina roa (20', 51') nandritra ity fihaonana ity Rasoanandrasana Marie Sarah,  mpilalaon’ny Barea. (Jereo Sary Tohiny)    
    Lire la suite ...
    • vendredi, 02 août 2019 13:12
    • Sary nindramina

    Kitra - COSAFA Cup 2019: Hihaona amin’i Comores i Madagasikara anio

    Hiatrika lalao faharoa ao amin’ny Vondrona A misy azy i Madagasikara anio. Hifandona amin’i Comores ny ekipam-pirenena malagasy vehivavy amin’izany. Teo amin’ny lalao voalohany dia niondrika tamin’ny isa 0 noho 2 nanoloana an’i Malawi i Madagasikara. I Afrika Atsimo mpampiantrano ity COSAFA Cup 2019 ity no ekipa fahatelo hifandona amin’i Madagasikara rahampitso.    
    Lire la suite ...
    • mercredi, 31 juillet 2019 21:13
    • Sary nindramina

    Kitra - COSAFA Women 2019: Madagasikara 0 - 2 Malawi

    Lavon’i Malawi tamin’ny isa 2 noho 0 i Madagasikara androany teo amin’ny lalao voalohany natrehany tao amin’ny Vondrona A misy azy amin’ny COSAFA Women 2019, tanterahina ny 31 jolay ka hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao, atsy Port Elisabeth Afrika Atsimo. Voafidy ho mpilalao mendrika tamin’ity lalao androany ity i Mamy Lalaina Prisca (N°3). I Afrika Atsimo, Kaomôro ary Malawi no firenena iray Vondrona A amin’i Madagasikara. Amin’ny 2 aogositra 2019 ny lalao faharoa hatrehin’i Madagasikara, hihaonany amin’i Kaomôro. Amin’ny 3 aogositra 2019 kosa ny lalao fahatelo ao anaty vondrona, hifandonan’i Madagasikara amin’i Afrika Atsimo mpampiantrano. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • samedi, 27 juillet 2019 13:31
    • Sary nindramina

    Volley – Lalaon’ny Nosy: Samy hiady medaly volamena ny ekipa Malagasy lahy sy vavy

    Andro lehibe ho an’ny taranja volley-ball ny anio sabotsy 27 jolay 2019. Samy hiatrika lalao famaranana hahazoana medaly volamena ny ekipa malagasy sokajy lahy sy vavy. Ao amin’ny kianja mitafon’i Vacaos no hatao ny lalao anio tolakandro. Sokajy vehivavy (2ora 30 ora eto Madagasikara): Madagascar # Seychelles Sokajy lehilahy (4ora 30 ora eto Madagasikara): Madagascar # Maurice (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • samedi, 27 juillet 2019 13:30

    Baskety – Lalaon’ny Nosy: Samy tafita hanao famaranana ny ekipa Malagasy sokajy lahy sy vavy

    Anio sabotsy 27 jolay no hotanterahina ao amin’ny Gymnase Phoenix ny lalao fiadiana ny laharana fahatelo sokajy lahy sy vavy, sy ny lalao famaranana hiadiana ny tompondakan’ny Lalaon’ny Nosy sokajy lahy sy vavy. - Lalao fiadian-toerana: Sokajy vehivavy: Maurice # Seychelles Sokajy lehilahy: Maurice # La Réunion - Lalao famaranana: Sokajy vehivavy: La Réunion # Madagascar Sokajy lehilahy: Madagascar # Mayotte  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 26 juillet 2019 14:12
    • Sary nindramina

    Kitra: Namonjy ny kliobany any Frantsa i Bôlida

    Tapitra ny fialantsasatra teto Madagasikara ho an’i Lalaina Nomenjanahary na i Bôlida taorian’ny CAN Egypta 2019. Niala an-tanindrazana halina niazo an’i Frantsa izy sy ny vady aman-janany. Mpilalao irakiraka ao amin’ny Barea an’i Madagasikara, nandray anjara tamin’ny CAN tany Egypta farany teo i Bôlida. Milalao ao amin’ny Paris FC izy, ary vao avy nanavao ny fifanarahany amin’io klioba io, nohalavaina hatramin’ny taona 2021.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 25 juillet 2019 17:25
    • Sary nindramina

    Rugby – Lalaon’ny Nosy: Lasan’ny Makis ny medaly volamena

    Resin’i Madagasikara tamin’ny isa 12 noho 7 i La Réunion nandritra ny famaranana teo amin’ny taranja rugby lalaovin’olona fito, sokajy lehilahy androany. Lasan’ny Makis ny medaly volamena. Maorisy kosa no laharana fahatelo. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 25 juillet 2019 16:49
    • Sary nindramina

    Cameroun: Nakotroka ny fitsenana ireo mpitsara tamin’ny lalao famaranana ny CAN 2019

    Notsenaina tamin’ny fomba makotroka ny fiverenan’ireo mpitsara telo lahy teratany kameroney nitantana ny lalao famaranana tamin’ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra, na CAN 2019 tany Egypta farany teo. Teo i Sidi Néant Alioum Alioum, izay mpitsara afovoany, nampian’i Evarist Menkouande ary Elvis Nguegoue. Fiara maro no namakivaky ny tanànan'i Yaoundé renivohitr’i Cameroun tamin'ny fahatongavan’izy ireo. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 25 juillet 2019 16:27

    Kitra: Faha-96 manerantany i Madagasikara

    Laharana faha-96 manerantany i Madagasikara taorian’ny CAN natao tany Egypta, araka ny fandaharana navoakan’ny Federasiona iraisam-pirenena amin’ny baolina kitra tamin’ity volana jolay ity. Nahazo toerana 12 isika niohatra ny tamin’ny volana jona 2019, izay naha teo amin’ny laharana faha 108 an’i Madagasikara.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 24 juillet 2019 19:24

    Rugby - Lalaon’ny Nosy: Tsara fanombohana ny Makis

    Nomontsanin’ny Makis tamin’ny isa 33-00 i Maorisy tamin’ny lalao rugby lalaovin’olona fito, tamin’ny lalao voalohany natrehiny androany. Resin’i Makis 21 noho 15 indray i La Réunion tamin’ny lalao faharoa androany. Nomontsanin’ny Makis tamin’ny isa 40 no 7 ihany koa i Mayotte tamin’ny lalao fahatelo sady farany natao tamin’ity tolakandron'ny alarobia 24 jolay ity.  
    Lire la suite ...
Page 10 sur 65