Sport

    • mercredi, 21 août 2019 21:26
    • Sary nindramina

    Tinoka Roberto - Nicolas Dupuis: Nifanakalo hevitra mahakasika ny fanohizana ny fiaraha-miasa

    Tonga eto Madagasikara, ary nihaona tamin’ny Minisitry ny tanora sy ny fantanjahantena, Tinoka Roberto tetsy amin'ny minisitera Ambohijatovo i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny ekipam-pirenena amin’ny baolina kitra na Barea. Nifanakalo hevitra mahakasika ny fanohizana ny fiaraha-miasa ny roa tonta, anisan'izany ny fifantenana sy ny fanomanana ny tanora mpandimby, fanomanana ny fifanintsanana amin'ny CAN 2021, ary ny fanarenana ny lesoka tsy nety teo aloha mba hahazoana vokatra tsara mihoatra ny dingana efa vita.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 21 août 2019 20:59
    • Sary nomena

    Andriatsima Faneva Imà: Niala tany Frantsa ary milalao any Arabia Saodita indray

    Abha Club, io indray no klioba vaovao hilalaovan’i Andriatsima Faneva Imà, kapitenin’ny Barea. Efa ofisialy ny fifindrany any amin’ity klioba mivoatra amin’ny diviziona voalohany any Arabia Saodita, efa vita ny fifanaraham-piaraha-miasa. Niala tany Frantsa izany i Andriatsima Faneva Imà, firenena nilàny ravinahitra nanomboka tamin’ny 2008, ka nifandimbiasany nilalao tamin’ny klioban’ny FC Nantes, Sochaux ary Clermont Foot 63. Samy milalao any Arabia Saodita izany izao i Andriatsima Faneva Imà sy Carolus Andrea, ity farany izay milalao ao amin’ny Al-Adalh FC.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 15 août 2019 20:55
    • Sary: MJS

    « Stadium » Barikadimy: Vita ny 98% amin'ny asa

    Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena sy ny fenitra takian'ny FIFA ity « Stadium » Barikadimy eto Toamasina ity. Azo andraisana ireo lalao iraisam-pirenena sy olimpika, mahazaka mpijery 15 000. Hisy « piste tartan » fihazakazahana ny manodidina ny kianja. Vita ny 98% amin'ny asa. Natao androany alakamisy 15 aogositra 2019 ny fandraisana ara-teknika vonjimaika ny asa. Tonga teto an-toerana ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena, Tinoka Roberto. « Dingana lehibe no nahivatana an'izao asa izao »,hoy ny Minisitra satria « efa folo taona no namelana azy teo, nefa dia nezahina novitaina tato anatin'ny fotoana fohy ». Miantso ny rehetra ho saropiaro amin'ny zava-bita toy izao ny Minisitra mba ho lovain'ny taranaka faramandimby. (Jereo sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 14 août 2019 14:20
    • Sary nindramina

    Rugby - Women's Cup 2019: Nomontsanin’i Afrika Atsimo i Madagasikara

    Resin’i Afrika Atsimo tamin’ny isa 73 noho 00 ny Makis an’i Madagasikara omaly, tamin’ny lalao faharoa natrehiny amin’ny Women's Cup 2019 tanterahina ao Johannesburg atsy Afrika Atsimo. Niondrika nanoloana an’i Kenya tamin’ny isa 35 noho 05 i Madagasikara tamin’ny lalao voalohany natrehiny tamin'ny zoma 9 aogositra 2019.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 12 août 2019 22:26
    • Sary nomena

    Lalaon’ny Nosy: Notolorana mari-boninahitra ireo Atleta nitondra avo ny hambopom-pirenena

    Notoloran'ny Filoham-pirenena mari-boninahitra ireto mpanao fanatanjahantena sy mpanazatra azy ireo androany 12 aogositra 2019, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha. Miisa 13 ireo Atleta nahazo medaly volamena mihoatra ny roa izay nosalorana ny mari-boninahitra “Chevalier de l’Ordre national”. Atleta 78 nahazo medaly volamena nahazo ny mari-boninahitra « Commandeur de l'Ordre de Mérite Sportif », 61 medaly volafotsy nahazo ny « Officier de l'ordre du mérite sportif », ary 63 medaly alimo nahazo ny « Chevalier de l'ordre du mérite sportif ». « Mampirisika hatrany ny mpanao fanatanjahantena aho », hoy ny Filoham-pirenena ka « nampitomboina avo efatra heny ihany koa ny fandrisika an'ireo Atleta sy mpanazatra amin'ity taona ity ka mahatratra 305.750.000 Ariary ny totalin'izany ». Efa nampitomboina ihany koa ny teti-bolam-panjakana natokana ho an’ny fanatanjahantena mba hanatsarana ny fanomanan’ireo Atleta hiatrika fifaninanana na nasionaly izany na iraisam-pirenena.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 11 août 2019 20:08

    Karaté-do: Fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara

    Notanterahina androany alahady 11 aogositra 2019 tao amin'ny Lapan'ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja karate.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 08 août 2019 21:16
    • Sary nindramina

    Kitra - Total CAF Champions League 2019: Fosa Juniors # Pampelmousse SC

    Tonga androany alakamisy eto Madagasikara ny ekipan’ny Pamplemousse SC avy atsy Maorisy. Hiatrika lalao mandroso amin’ny dingana savaranonando amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny ekipa tompondaka, na Total CAF Champions League 2019 izy ireo, lalao izay hatao ao amin’ny Stade Rabemananjara - Mahajanga, ny tolakandron’ny sabotsy 10 aogositra 2019. Hifandona amin’izany ny klioban’ny Fosa Juniors (Mahajanga) sy ny Pampelmousse SC.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 08 août 2019 19:34

    Kianja Makis Andohatapenaka: Havaozina ho tsara ny bozaka

    Taorian’ny fanokafana ny foara Fier Mada teo Andohatapenaka omaly alarobia 08 aogositra 2019, no nilazan’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina fa havaozina atao bozaka tsara ny kianja filalaovana rugby ao amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 07 août 2019 21:41

    CAN Rugby - Vehivavy: Manantena vokatra avy any Afrika Atsimo ny mpitia baolina lavalava

    Hotanterahina atsy Afrika Atsimo ny 9 hatramin'ny 17 Aogositra 2019 ho avy izao ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika (CAN) eo amin'ny taranja rugby lalaovin'ny olona 15. Hiatrika izany ny "Makis de Madagascar" vehivavy. Ahitana mpilalao ao amin'ny klioban'ny 3FB miisa 5 mirahavavy ao amin'ny ekipa nasionaly. Nanome vatsin-dalana ho azy ireo ny Minisitra ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ny alalan’ny Talen'ny Kabinetra, ny alatsinainy 05 aogositra 2019, teo amin'ny toeram-piasany Ambohidahy.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 07 août 2019 13:53

    Kitra - Total CAF Champions League 2019: Fosa Juniors # Pampelmousse SC

    Hotanterahina ao amin’ny Kianja Rabemananjara – Mahajanga ny tolakandron’ny sabotsy 10 aogositra 2019 izao ny lalao mandroso amin’ny dingana savaranonando amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny ekipa tompondaka, na Total CAF Champions League 2019. Hifandona amin’izany ny klioban’ny Fosa Juniors (Mahajanga) sy ny Pampelmousse SC avy atsy amin’ny nosy Maorisy.  
    Lire la suite ...
Page 8 sur 65