Sport

    • jeudi, 27 juin 2019 21:33
    • Sary nindramina

    Marco Ilaimaharitra: Mpilalao mendrika tamin’ny lalaon’i Madagasikara sy Burundi

    “Man of the Match”, “L’homme du match”, voahosotra ho mpilalao mendrika nandritra ny lalao nifanandrinan’ny Barea an’i Madagasikara sy ny “Hirondelles” an’i Burundi, i Marco Ilaimaharitra. Izy no namono ny baolina tokana tafiditra teo amin’ny minitra faha-76, antoky ny fandresen’ny Barea tamin’ity lalao ity, izay notanterahina tao Alexandrie androany hariva. Lalao faharoa natrehin’ny Barea amin’ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra io.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 27 juin 2019 20:03
    • Sary nindramina

    Kitra-CAN 2019: Nanoratra tantara ny Barea

    Nibata fandresena voalohany tamin’ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra i Madagasikara. Nandresy an’i Burundi tamin’ny isa 1 noho 0 ny Barea tamin’ny lalao nataony androany hariva tao Alexandrie, Egypta. Baolina matin’i Marco Ilamaharitra, teo amin’ny faha-76 minitra ny lalao. Hafaliana izay tsy izy ny an’ireo mpanohana an’ny Barea niatrika nivantana ny lalao sady nanohana hatramin’ny farany ny Barea, nanofahofa sainam-pirenena. Tanteraka ny fanambin’i Bôlida, na Lalaina Nomenjanahary niaraka tamin’ny mpanazatra Nicolas Dupuis tamin’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nialoha ny lalao, natao afak’omaly tao Alexandrie, ny hanolotra fandresena ho fanomezana ho an’ny vahoaka Malagasy amin’izao fetim-pirenena izao.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 27 juin 2019 15:05

    Kitra-CAN 2019: Hiatrika lalao faharoa ny Barea anio

    Hihaona i Madagasikara sy Burundi anio amin’ny 5ora sy sasany, ao amin’ny kianjan’i Alexandrie any Egypta, lalao faharoa atrehin’ny ekipa roa tonta samy ao amin’ny vondrona B, ary samy sambany tonga amin’ny dingana famaranan’ny CAN, iadiana ny Amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra. Vonona hanoratra tantara ny Malagasy hiakarana amin’ny dingana manaraka. Ny fihaonana anio hariva io ihany koa anefa no hamaritra ny tohin’ny dian’i Burundi. Raha resy fanindroany eo mantsy i Burundi dia efa namany mangoron’entana. Nizeria sy Egypta no efa tafakatra sahady ho amin’ny dingan’ny ampahavalon-dalan’ny CAN.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 25 juin 2019 22:51
    • Sary: Alefa Barea

    Kitra-CAN 2019: "Vonona hanolotra ampahavalon-dalana ho an'ny Malagasy ny Barea'', hoy i Bolida

    "Ny fahatafitanay any amin'ny ampahavalon-dalana no fanomezana tinay hatolotra ny vahoaka Malagasy amin'izao fetim-pirenenay izao.", hoy i Lalaina Nomenjanahary na Bôlida androany nandritra ny valandresaka ho an'ny mpanao gazety mialoha ny lalao hifanandrinan'ny Barea Madagasikara amin'i Burundi, lalao faharoa hatrehin'ny ekipa roa tonta ao amin'ny vondrona B. "Vonona hanome lalao tsara ho an'ny Malagasy izahay", hoy hatrany i Bôlida. Nanamafy izay fahavononan'ny mpilalao izay ihany koa ny mpanazatra Nicolas Dupuis. Ity farany izay nilaza fa sitrana avokoa ireo mpilalao naratra, izay tsy afaka niatrika ny lalao voalohany nifandonan'ny Barea tamin'i Guinée.    
    Lire la suite ...
    • mardi, 25 juin 2019 22:47
    • Sary nomena

    Kitra-CAN 2019 : Tsara tso-drano hiatrika an'i Burundi ny Barea

    Tafaverina an-tanindrazana androany ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena, Tinoka Roberto, rehefa avy nanotrona sy nankahery ary nanolotra vatsy, avy amin'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, ho an'ny ekipam-pirenena Malagasy amin'ny baolina kitra na Barean'i Madagasikara tany Egypta tamin'ny fiandohan'ny fiadiana ny Amboaran'i Afrika na CAN 2019. Nisy ny fihaonan'ny minisitra Tinoka tamin'ireo tomponandraikitra ambony mitantana ny baolina kitra aty Afrika (CAF) sy manerantany (FIFA), ary koa tamin'ireo minisitry ny spaoro avy amin'ireo firenena afrikanina tonga tao Egypta tamin'ny fanombohan'ny CAN. Tsara tso-drano, ary dia vonona ara-batana sy ara-tsaina hiatrika ny lalao amin'i Burundi ny Barea ny alakamisy 27 jona izao. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 24 juin 2019 10:35
    • Sary nindramina

    CAN 2019 - Barea: Natolotr'i Anicet an'ny filoha Rajoelina ny "maillot" nisalorany

    I Abel Anicet no mpilalao Malagasy voalohany nampidi-baolina voalohany tamin'ny fandraisana anjara voalohan'ny ekipam-pirenena Malagasy amin'ny fiadiana ny amboaran'i Afrika amin'ny baolina kitra. Natolotr'i Anicet ho an'ny filoha Andry Rajoelina ny ankajo nanaovany ka namonoany io baolina voalohany io, tamin'ny fifanandrinan'i Madagasikara sy Guinée. Ny ministry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena Tinoka Roberto, izay misolotena ny fitondram-panjakana, manohana tanteraka ny ekipan'ny Barea, no nampitaina izany "maillot" izany, ka anome azy ny filoha Andry Rajoelina. Nirava ady sahala 2 noho 2 i Madagasikara sy Guinée tamin'io lalao omaly alina io. Carolus no namono ny baolina faharoa ho an'ny Malagasy. Nanohana an'ny Barea ara-bola 700.000.000 Ariary ny Fanjakana iatrehana ny CAN any Egypta. Nankasitraka ny zava-bitan'ny Barea tamin'ny lalao voalohany natrehiny omaly ny filoha Andry Rajoelina. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 23 juin 2019 14:50
    • Sary nindramina

    Kitra-CAN 2019: Madagasikara 2 - 2 Guinée

    Nirava ady sahala 2 noho 2 ny Barea Madagascar sy Guinée tamin'ny lalao voalohany natrehin'ny ekipa roa tonta ao amin'ny Vondrona B amin'ny CAN 2019. Nanokatra ny isa i Guinée, avy eo nosahalain'ny Barea. Nitarika 2 noho 1 i Madagasikara. Penalty no nahazoan'i Guinée ny baolina faharoa sy nampitovy ny isa. Abel Anicet, mpilalao malagasy, no voahosotra ho mpilalao mendrika tamin'io lalao alina tao amin'ny Kianjan'i Alexandrie io. Amin'ny alakamisy 27 jona ny lalao faharoa anaty Vondrona B hatrehin'i Madagasikara hifandonana amin'i Burundi. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • samedi, 22 juin 2019 21:02
    • Sary nomena

    Baskety-FIBA Afrique: Voafidy ho filohan'ny Faritra faha-7 i Ntsay Abel

    Nandritra ny kongresy faha-17 ny FIBA Afrique tanterahina ao Bamako renivohitr'i Mali, ny 22 sy 23 jona 2019, no nahavoafidy indray an'i Ntsay Abel ho filohan'ny Faritra faha-7, misy an'i Madagasikara, eo amin'ny taranja baskety. Tale jeneralin'ny Secren i Ntsay Abel, rahalahin'ny praiminisitra Ntsay Christian ihany koa. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • samedi, 22 juin 2019 11:51
    • Sary nindramina

    Kitra-CAN 2019: Hiakatra kianja ny Barea anio alina

    Hiatrika ny lalaony voalohany amin’ny CAN 2019 i Madagasikara anio. Guinée no hifandona amin’i Barea anio amin’ny 11 ora alina, ora eto Madagasikara, lalao hatao ao amin’ny kianjan’i Alexandrie. Iray vondrona B i Madagasikara sy Guinée.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 22 juin 2019 10:47

    Kitra-CAN 2019: Isa tery 1 noho 0 no nandresen’i Egypta an’i Zimbabwe

    Nibata fandresena voalohany i Egypta, mpampiantrano, tamin’ny lalao voalohany natrehiny tamin’ity fiadiana ny amboaran’i Afrika andian’ny faha-32 ity. Nandresy tamin’ny isa tery, 1 noho 0, i Egypta nampian’ireo mpomba azy izay nameno kianja tombanana ho 74 000, sy teo imason’ny filoha Abdel Fattah al-Sissi, i Zimbabwe, tamin’ny lalao alina ; baolina matin’i Trezeguet teo amin’ny minitra faha-41.  
    Lire la suite ...
Page 7 sur 54