Sport

    • mercredi, 09 octobre 2019 14:22
    • Sary nindramina

    Kitra - Lalao fitsapana: Barea CHAN # Elgeco Plus

    Hitsapa ny ekipan'ny Elgeco Plus ao an-jaridainan’ity farany eny By pass – Antananarivo ny Barea CHAN izao tolakandro izao. Lalao fitsapana faharoa izy ity, tafiditra amin’ny fanomanan'ny Barea CHAN ny lalao miverina amin'ny Namibia, hamafisina hatrany ny eo amin'ny lafin'ny fanafihana fa tsy hionona amin'ny fiarovan-tena fotsiny, hoy i Franklin, mpanazatra. Nandresy 2 noho ny 0 ny Zanakala FC ny Barea CHAN tamin’ny lalao fitsapana voalohany notanterahina tamin’ny Alahady lasa teo Nibata fandresena 1 noho 0 ny Barea CHAN nanoloana an’i Namibia, tamin’ny lalao mandroso notanterahina tetsy Mahamasina tamin’ny 22 septambra 2019. Hatao any Namibia amin’ny 19 oktobra 2019 kosa ny lalao famerenana. Raha tafavoaka eo ny Barea CHAN dia hahazo tapakila hiatrehana ny CHAN 2020, na ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika amin'ireo ekipam-pirenena rafetin'ireo mpilalao tsy mila ravinahitra, hatao any Côte d'Ivoire.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 07 octobre 2019 12:46

    Rallye – RIM: Fiara miisa 34 no hifaninana aty Moramanga

    Hotanterahina aty Moramanga ny 11, 12 ary 13 oktobra 2019 izao ny RIM (Rallye International de Madagascar) andiany faha-40. Fiara miisa 34 no hifaninana amin’izany.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 05 octobre 2019 11:47
    • Sary nomena

    Mahajanga: Hanana « gymnase multisport » hahazaka olona 4 000

    Havaozina ny kianja mitafo teo aloha eo amin’ny Stade Rabemananjara, izay niorina tamin’ny taona 1958. « Gymnase multisport » lehibe manara-penitra hahazaka olona 4 000 no hamboarina hanolona azy, ho fitsinjovana ny tanora sy ireo mpitia fanatanjahantena. Afaka handray lalao iraisam-pirenena ny fotodrafitrasa vaovao aorian’ny fahavitany. Natomboka ny zoma 4 oktobra 2019 ny asa fanamboarana.Tonga nanomboka izany asa izany ny Filoha Andry Rajoelina sy ny minisitry ny tanora sy ny fanantanjahantena Tinoka Roberto, ary ireo tompon'andraikitra isan-tokony, na ny avy eto Mahajanga, na ireo avy any Antananarivo. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • samedi, 05 octobre 2019 11:26

    Fanatanjahantena an-tsekoly: Ho ambohimpihaonana i Toamasina

    Hotanterahana eto Toamasina ny 14 ka hatramin’ny 20 oktobra 2019 ny Lalao nasionaly amin’ny fanatanjahantena an-tsekoly. Eo amin'ny 2 000 mahery ireo mpandray anjara, izay avy amin’ny sekoly miisa 130 manerana ny Faritra 22, andrasana eto an-drenivohitry ny Faritra Atsinanana amin’izany. Atletisma, baolina kitra, « basket-ball », « hand-ball » sy « volley-ball » ary « cross country », ireo no taranja hifaninanana mandritra izany. Miara-mikarakara azy ity ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana ara-tekinika sy arak’asa, sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Tanjona ny fampiroboroboana ny fanatanjahantena an-tsekoly sy fanomezan-danja ny kolontsaina isam-paritra. Natao ihany koa hitiliana sy hitarafana sahady ireo mpilalao mendrika sy tokony hotrandrahana ho lasa mpilalao nasionaly.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 04 octobre 2019 12:54
    • Sary Odon Marius Randrianiaina

    Kitra - Njiva: Lasa omaly namonjy ny FC Fleury 91, klioba ilalaovany any Frantsa

    Nalain’i Nicolas Dupuis hanatevina ny FC Fleury 91, izay izy no mpanazatra azy, Rakotoharimalala Njiva Tsilavina Martin na i Njiva araka ny ahafantaran’ny maro azy. Tamin’ny fiandohan’ny volana jolay 2019 no vita ny fifanarahana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Ny alakamisy 3 oktobra 2019 i Njiva no niala teto Madagasikara namonjy io klioba hilalaovany io, rehefa tomombana avokoa ny antotan-taratasy hipetrahany any Frantsa. Amin'ny sabotsy 5 oktobra 2019 i Njiva no haseo amin'ny fomba ofisialy amin'ireo mpitia ny FC Fleury 91 ao amin’ny kianja Robert-Bobin, Bondoufle any Essonne. Mpilalao tao amin’ny Cnaps Sport i Njiva ary isan’ireo 23 lahy niaro ny voninahi-pirenena tamin’ny CAN 2019 tany Ejipta. 27 taona izy izao, mpanafika amin’ny elatra havia ny toerany ao amin’ny ny FC Fleury 91, klioba mifaninana amin'ny "National 2" any Frantsa.    
    Lire la suite ...
    • jeudi, 03 octobre 2019 17:19
    • Sary nindramina

    Kitra - CHAN 2020: Hiatrika lalao ara-piralahina roa ny Barea

    Anatin’ny fampivondronana eny amin'ny CTN Carion ireo mpilalao mandrafitra ny Barea CHAN. Hisy lalao ara-piralahina roa hitsapana ny mpilalao sy hanamafisana ny fahaiza-miaraka mialoha ny ho fiatrehana ny lalao miverina izay hifanandrinan’i Madagasikara amin'i Namibia ny 19 oktobra 2019. Hatao eo amin’ny Kianjaben’i Mahamasina ireo lalao ara-piralahina, hifandonan’ny Barea CHAN amin’ny Zanakala ny alahady 06 oktobra, avy eo ny ekipa voafantina Analamanga ny sabotsy 12 oktobra 2019.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 29 septembre 2019 20:11
    • Sary nindramina

    Kitra-Amboaran'ny CAF: TP Mazembe 3 # 1 Fosa Junior

    Niondrika tamin'ny isa 1 noho 3 ny Fosa Junior (Madagasikara) nanoloana ny Tout Puissant Mazembe (RDC), androany alahady 29 septambra 2019, nandritra ny lalao miverina amin'ny fiadiana ny Amboaran'ny Kaofederasiona Afrikanina amin'ny baolina kitra. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • samedi, 28 septembre 2019 17:21
    • Sary nindramina

    Kitra – Amboaran’ny CAF: Cnaps Sport 1 # 3 TS Galaxy

    Niondrika an’isa 1 noho 3 teo an-jaridainany ny Cnaps Sport nanoloana ny TS Galaxy avy atsy Afrika Atsimo, nandritra ny lalao miverina amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaofederasiona afrikanina amin’ny baolina kitra (CAF) natao io tolakandro io teny Vontovorona. Efa nitarika 1 noho 0 ny TS Galaxy tamin’ny fizaram-potoana voalohany. Tany amin’ny segaondra farany tamin’ny fotoana fanampiny 3 minitra hifaran’ny lalao no nahatafiditra ny baolina tokana ny Cnaps Sport. Efa resy tamin’ny isa 0 noho 1 ny Cnaps tamin’ny lalao mandroso. (Jereo Sary )  
    Lire la suite ...
    • samedi, 28 septembre 2019 16:53

    Kitra – Amboaran’ny CAF : Cnaps Sport 1 # 3 TS Galaxy

    Niondrika an’isa 1 noho 3 teo an-jaridainany ny Cnaps Sport nanoloana ny TS Galaxy avy atsy Afrika Atsimo, nandritra ny lalao miverina amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaofederasiona afrikanina amin’ny baolina kitra (CAF) natao io tolakandro io teny Vontovorona. Efa nitarika 1 noho 0 ny TS Galaxy tamin’ny fizaram-potoana voalohany. Tany amin’ny segaondra farany tamin’ny fotoana fanampiny 3 minitra hifaran’ny lalao no nahatafiditra ny baolina tokana ny Cnaps Sport. Efa resy tamin’ny isa 0 noho 1 ny Cnaps tamin’ny lalao mandroso. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 27 septembre 2019 20:42
    • Sary nindramina

    Kitra - Tompodakan'i Afrika: TP Mazembe vs Fosa Juniors

    Hiatrika ny lalao miverina amin’ny Tout Puissant Mazembe ny Fosa Junior ny tolakandron’ny alahady 29 septambra 2019 izao, lalao atao ao amin’ny Kianja Frédéric Kibassa Maliba any Repoblika Demokratikan’i Congo. Lalao miverina ifandonan’ny ekipa roa tonta io, tafiditra amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ireo ekipa tompondaka. Nirava ady sahala samy tsy nitoko ny ekipa roa tonta nandritra ny lalao natao teo amin’ny Kianja Rabemananjara – Mahajanga tamin’ny 15 septambra 2019.  
    Lire la suite ...
Page 4 sur 65