Sport

    • dimanche, 14 janvier 2018 22:14
    • Sary Gasypatriote Mahajanga

    Telma Super Coupe: Nisaraka 0 noho 0 ny Fosa Juniors sy ny Cnaps Sport

    Ady sahala no nisarahan'ny ekipan'ny Fosa Juniors an'i Boeny sy Cnaps Sport Itasy nandritra ny lalao mandroso notanterahina teto amin'ny kianja Rabemananjara Mahajanga androany alahady tolakandro. Niady ny lalao fa samy sahirana tamin'ny fampidirana baolina ny roa tonta. Amin'ny heriny anio ny lalao miverina eny Vontovorona-Antananarivo.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 06 janvier 2018 11:23

    Kitra-Vatovavy Fitovinany: Tsy tanteraka ny fifidianana filohan'ny ligy

    Toy ny tamin'ny 15 desambra 2017 dia tsy tanteraka indray raha tokony ho natao omaly ny fifidianana filohan'ny ligin'ny baolina kitra Vatovavy Fitovinany.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 05 janvier 2018 16:20

    Kitra-Ligy Boeny: Mbola voafidy ho filoha i Nourdine

    Naverina ny maraina teo ny fifidianana izay ho filohan'ny ligin'i Boeny amin'ny taranja baolina kitra. Antony, ny tsy fanajana ireo fepetra voalazan'ny lalam-pifidianana. Nisy tamin'ireo kandida enina nilatsaka nofidina no nametraka fitoriana mahakasika izany taorian'ny fifidianana natao ny 15 desambra teo ka nahatonga ny famerenana izany ny maraina teo. Tsy nasiana fiodinana faharoa tamin'izany fifidianana izany kanefa tokony ho niroso raha ny vokatra azo sy ny lalàna no jerena. Mbola i Nourdine izay efa filoha nitantana ny ligin'i Boeny teo aloha ihany no lany tamin'ity famerenana ity, izy izay efa lany rahateo tamin'ny fifidianana ny volana desambra. Tamin'ny isam-bato telo noho iray no nahalany ity filoha ity.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 05 janvier 2018 16:18

    Kitra-Ligy Matsiatra Ambony: Tsy tontosa indray ny fifidianana filoha

    Famerenana ny fifidianana filohan'ny ligin'ny kitra Matsiatra Ambony tokony natao androany saingy tsy tanteraka indray izany. Tokana ny kandida dia ny filoha amperinasa Rarison Hilarion, tsy eken'ny sasany anefa izany. Izay no efa tsy nahatanteraka ny fifidianana tamin'ny 15 desambra ary mbola tsy nahavanona ny fifidianana androany.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 05 décembre 2017 17:12

    Football : Les présidents des ligues haussent le ton

    FÉDÉRATION MALGACHE DU FOOTBALL LES PRÉSIDENTS DES LIGUES DU FOOTBALL COMMUNIQUE Face à la situation qui prévaut au sein de la Fédération Malgache du Football, qui est en plein processus électoral pour le renouvellement des structures en partant de la base jusqu’au sommet (Section, Ligue et Fédération), nous les Présidents de Ligues du Football Malgache qui nous réunissons ce jour à Antananarivo lançons la déclaration suivante :
    Lire la suite ...
    • lundi, 04 décembre 2017 10:16
    • Sary Sobika Fianarantsoa

    Fianarantsoa: Fifidianana filohan’ny Ligin’ny baolina kitra tsy azo antoka

    Kandida tokana irery ihany eto Matsiatra Ambony no nankatoavin’ny komity mandrindra ny fifidianana avy ao amin’ny Federasionan’ny baolina kitra. Telo no isan’ireo nametraka antontan-taratasy ka io kandida io no hany tokana hofidiana araky ny lisitra voalazan’ny fanapahana n°09- FMF- CEN 2017. Mitsipaka izany marindrano ny mpakafy baolina kitra maro eto Fianarantsoa, indrindra ny filohan’ny section miisa 6 eto amin’ny faritra, noho ny tsy fanajana ny fitsipika andininy faha-12 eo anivon’ny federasiona. Voadingana hoy izy ireo ny fepetra fototra izay milaza fa in-telo ihany no afaka mitondra ny ligy ny kandida iray, ka tsy tokony ho ekena intsony ny filatsahan-ko fidian’ity filohan’ny ligy mbola mikasa hitondra mandritra ny fe-potoana manaraka ity.
    Lire la suite ...
    • samedi, 02 décembre 2017 21:43
    • Sary Njaka

    Marathon International: Fanamarihina ny fanokafana ofisialy

    Nosokafana tamim-pomba ofisialy androany ny Marathon International izay atao isan-taona. Hotontosaina rahampitso alahady 03 desambra, izay miainga eny amin’ny Parvis Analakely izany manomboka ny maraina, ary anodidina an’Ankorondrano, Mahamasina, Anosy ary manodidina an-Antananarivo. Misy araka izany moa ny teran-tany vahiny handray anjara amin’izany toy ny Ethiopianina, Kenya, Afrika atsimo, ary isika Malagasy moa dia mazava ho azy fa andray anjara amin’ity lalao ity. Nisy moa ny fitsidihana trano eva mandritry ity lanonam-panokafana ity.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 29 novembre 2017 16:52
    • Sary Sobika Mahajanga

    Fosan'i Boeny: Nakotroka ny fandraisana azy taty Mahajanga

    Mamim-bahoaka ny ekipan'ny Fosa Juniors Boeny. Nanaporofo izany ny fahatongavan'ireo olona marobe nitsena azy ireo teny Belobaka sy ny efa niandry teny amin'ny kianja monisipaly Rabemananjara. Ny maraina teo no nigadona teto Mahajanga ireo ekipan'ny Fosa Juniors izay avy nibata fandresena nahazo ny Amboara Telma Coupe de Madagascar 2017. Nirehareha ny mpitia baolina kitra avy aty Mahajanga amin'izao fandresena azon'ny ekipa izao. Tsy nisy mihitsy ireo olom-panjakana nitsena sy nanome voninahitra ny lanonana fa dia honjohonjon'ireo ekipa sy ny mpankafy irenry ny fifaliana. Dia ho sanatria ve hoy ny sasany ka ho toy ny valalan'amboa, na ny tompony aza tsy tia.
    Lire la suite ...
    • lundi, 27 novembre 2017 15:18
    • Sary Njaka

    Telma Coupe de Madagascar: Nandresy ny Fosa Junior

    Niondrika tamin’ny alalan’ny moka foy 2 no 1 ny COSFA teo anatrehan’ny Fosa Junior avy any Boeny, izay lalao famaranana notontosaina tetsy amin’ny Kianjaben’ny Mahamasina omaly alahady 26 novambra 2017. Izy ity moa dia lalao ao anatin’ny Telma Coupe de Madagascar.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 27 novembre 2017 15:01
    • Sary Sobika Ambatondrazaka

    Kitra D2 - Seksiona Ambatondrazaka: Tompondaka ny AJA

    Tontosa ny alahady 26 novambra ny lalao famaranana fiadiana ny amboaran’ny seksiona Ambatondrazaka diviziona faharoa, nifanandrinan’ny AJA sy FC Voromanga Atsangasanga. Nisaraka ady sahala 1 noho 1 ny roa tonta taorian’ny fe-potoana ara-dalàna 90 minitra. Mbola ady sahala 2 noho 2 indray taorian’ny 120 minitra nifaranan’ny fanalavam-potoana. Niroso tamin’ny “tirs au but” namantarana ny mpandresy. Namono 4 ny AJA, baolina tokana no tafiditry ny FC Voromanga Atsangasanga ary dia Lasan’ny AJA ny amboara. Raha tsy misy ny fiovana dia hiatrika ny lalao inter section ny ekipa AJA, FC Voromanga, FC Mami ary ny FC Andrarabaribe.  
    Lire la suite ...
Page 3 sur 37