Sport

    • lundi, 01 juillet 2019 20:50

    Kitra - Copa America 2019: Hatao ny alarobia sy alakamisy izao ny lalao manasa-dalana

    Ny lalao manasa-dalana voalohany amin’ny alarobia 3 jolay izao dia hihaonan’i Brezila amin’i Arzantina, ao amin’ny kianja “Estádio Governador Magalhães Pinto” ao Belo Horizonte, ao amin’ny fanjakan’i Minas Gerais any Brezila. Ny lalao manasa-dalana faharoa hatao amin’ny alakamisy 4 jolay kosa dia hifanandrinan’i Perou amin’i Chili. Lalao tanterahina ao amin’ny “Arena do Grêmio” any Porto Alegre, Brezila. Ny kianjan’i Maracanã ao Rio de Janeiro no hampiantrano ny lalao famaranana eo amin’ireo ekipa roa tonta tafavoaka mpandresy amin’ny manasa-dalana ; hatao amin’ny alahady 7 jolay 2019.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 01 juillet 2019 16:43

    Kitra – CAN 2019: Ireo fandaharan-dalao anio

    Lalao efatra no tanterahina anio ka amin’ny ora mitovy isaky ny mandeha no anatontosaina ny lalao roa. Amin’ny 7ora alina: Afrika Atsimo # Maroc /Namibia # Côte d’Ivoire Amin’ny 10 ora alina: Tanzania # Alzeria / Kenya # Sénégal  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 30 juin 2019 23:10
    • Sary nomena

    Kitra-CAN 2019: Voahosotra ho mpilalao mendrika i Carolus

    Voahosotra fanindroany ho mpilalao mendrika i Carolus, taorian'ny lalao nandresen'ny Barea 2 noho 0 an'i Nizeria androany. Carolus no nampiditra ny baolina faharoa tamin'ny lalaon'ny Barea androany tao Alexandrie. Bôlida no nampidi-baolina voalohany.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 30 juin 2019 13:13

    Kitra-CAN 2019: Madagasikara # Nizeria

    Hiatrika lalao fahatelo ao amin'ny vondrona B misy azy ny Barea an'i Madagasikara anio alahady 30 jona. Hifandonana aminy amin'izany ny Super Eagles Nizeriana. Efa tafita mialoha ny fotoana amin'ny ampahavalon-dalana i Nizeria taorian'ny fandresena roa azony tamin'ny lalao roa nataony. Laharana voalohany vonjimaika ao anaty vondrona izy. Ady sahala no vokatra tsy mampitaintaina an'ny Barea hiakarana amin'ny dingana manaraka, raha mahazo fandresena vao maika tsara. Miankina amin'ny vokatra azon'ireo ekipam-pirenena hafa kosa ny tohin'ny dia raha toa resin'i Nizeria isika, ary etsy ankilany mandresy an'isa an'i Burundi i Guinée izay samy ekipa iray vondrona B amin'i Madagasikara.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 28 juin 2019 21:55

    Kitra-CAN 2019: Miantona ny fitantarana baolina ao amin'ny RNM

    Nanao fanambarana ny ORTM, androany, mampahafantatra ny besinimaro fa misy orinasa iray milaza ho hany tokana nahazo ny alalana tany amin'ny CAF amin'ny fitantarana mivantana ny lalaon'ny CAN amin'ny onjampeo, ka nandrarany ny RNM tsy ho afaka manao izany fitantarana mivantana izany. Manoloana izany dia naka ny hevitry ny CAF ny RNM satria ny CAF no nanao sonia fifanarahana taminy, ka mandra-piandry ny valinteny avy any dia miantona aloha ny fitantarana mivantana ireo lalaon'ny CAN ao amin'ny Radio Nasionaly Malagasy (RNM).  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 27 juin 2019 22:43
    • Sary nindramina

    Marc Ravalomanana: Dibo-kafaliana tamin'ny fandresena azon'ny Barea

    Nanaraka nivantana tamin'ny fahitalavitra ny lalaon'i Madagasikara sy Burundi, tao an-trano fonenany eo Faravohitra-Antananarivo, ny filoham-pirenena malagasy teo aloha Marc Ravalomanana. Dibo-kafaliana izy tamin'ny fandresena azon'ny Barea nanoloana ny "Hirondelles" an'i Burundi, androany tany Alexandrie-Egypta, ary niarahaba sy maneho fankaherezana ny Barea amin'ny dingana manaraka.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 27 juin 2019 21:33
    • Sary nindramina

    Marco Ilaimaharitra: Mpilalao mendrika tamin’ny lalaon’i Madagasikara sy Burundi

    “Man of the Match”, “L’homme du match”, voahosotra ho mpilalao mendrika nandritra ny lalao nifanandrinan’ny Barea an’i Madagasikara sy ny “Hirondelles” an’i Burundi, i Marco Ilaimaharitra. Izy no namono ny baolina tokana tafiditra teo amin’ny minitra faha-76, antoky ny fandresen’ny Barea tamin’ity lalao ity, izay notanterahina tao Alexandrie androany hariva. Lalao faharoa natrehin’ny Barea amin’ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra io.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 27 juin 2019 20:03
    • Sary nindramina

    Kitra-CAN 2019: Nanoratra tantara ny Barea

    Nibata fandresena voalohany tamin’ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra i Madagasikara. Nandresy an’i Burundi tamin’ny isa 1 noho 0 ny Barea tamin’ny lalao nataony androany hariva tao Alexandrie, Egypta. Baolina matin’i Marco Ilamaharitra, teo amin’ny faha-76 minitra ny lalao. Hafaliana izay tsy izy ny an’ireo mpanohana an’ny Barea niatrika nivantana ny lalao sady nanohana hatramin’ny farany ny Barea, nanofahofa sainam-pirenena. Tanteraka ny fanambin’i Bôlida, na Lalaina Nomenjanahary niaraka tamin’ny mpanazatra Nicolas Dupuis tamin’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nialoha ny lalao, natao afak’omaly tao Alexandrie, ny hanolotra fandresena ho fanomezana ho an’ny vahoaka Malagasy amin’izao fetim-pirenena izao.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 27 juin 2019 15:05

    Kitra-CAN 2019: Hiatrika lalao faharoa ny Barea anio

    Hihaona i Madagasikara sy Burundi anio amin’ny 5ora sy sasany, ao amin’ny kianjan’i Alexandrie any Egypta, lalao faharoa atrehin’ny ekipa roa tonta samy ao amin’ny vondrona B, ary samy sambany tonga amin’ny dingana famaranan’ny CAN, iadiana ny Amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra. Vonona hanoratra tantara ny Malagasy hiakarana amin’ny dingana manaraka. Ny fihaonana anio hariva io ihany koa anefa no hamaritra ny tohin’ny dian’i Burundi. Raha resy fanindroany eo mantsy i Burundi dia efa namany mangoron’entana. Nizeria sy Egypta no efa tafakatra sahady ho amin’ny dingan’ny ampahavalon-dalan’ny CAN.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 25 juin 2019 22:51
    • Sary: Alefa Barea

    Kitra-CAN 2019: "Vonona hanolotra ampahavalon-dalana ho an'ny Malagasy ny Barea'', hoy i Bolida

    "Ny fahatafitanay any amin'ny ampahavalon-dalana no fanomezana tinay hatolotra ny vahoaka Malagasy amin'izao fetim-pirenenay izao.", hoy i Lalaina Nomenjanahary na Bôlida androany nandritra ny valandresaka ho an'ny mpanao gazety mialoha ny lalao hifanandrinan'ny Barea Madagasikara amin'i Burundi, lalao faharoa hatrehin'ny ekipa roa tonta ao amin'ny vondrona B. "Vonona hanome lalao tsara ho an'ny Malagasy izahay", hoy hatrany i Bôlida. Nanamafy izay fahavononan'ny mpilalao izay ihany koa ny mpanazatra Nicolas Dupuis. Ity farany izay nilaza fa sitrana avokoa ireo mpilalao naratra, izay tsy afaka niatrika ny lalao voalohany nifandonan'ny Barea tamin'i Guinée.    
    Lire la suite ...
Page 11 sur 58