Sport

    • jeudi, 18 juillet 2019 12:35
    • Sary nindramina

    Lalaon’ny Nosy: 36 ny Atleta malagasy amin’ny taranja Atletisma

    Miisa 36 ny Atleta malagasy izay handray anjara amin’ny taranja atletisma, mandritry ny Lalaon’ny Nosy hatao atsy amin’ny Nosy Maorisy. Nitso-drano sy nanolotra 5 tapitrisa Ariary, ho vatsy entin’ireto Atleta malagasy izay hiaro ny voninahim-pirenena ireto androany, ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola mpiahy ity taranja ity, Richard Randriamandrato. Efa nisy 10 tapitrisa Ariary natolony tamin’ny volana aprily lasa teo nandritry ny famondronana voalohany ireo Atleta ireo. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 18 juillet 2019 12:23
    • Sary nindramina

    Lalaon’ny Nosy - Tenisy ambony latabatra: Omena tambiny manokana ireo mpilalao mandrombaka medaly volamena

    Mpilalao 12, miampy mpanazatra sy mpitsara, no mandrafitra ny delegasiona malagasy amin’ny taranja tenisy ambony latabatra, hiatrika ny lalaon'ny Nosy hotanterahina atsy Maorisy ny 19 hatramin'ny 28 jolay ho avy izao. Ny filohan'ny federasiona Ambinintsoa Herley no hitarika azy ireo, hiainga anio tolakandro. Ny 20 hatramin'ny 28 jolay no hiantsehatra ireo mpilalao tenisy ambony latabatra. Nanolotra 10 tapitrisa ariary ho vatsin-dalana sy fanohanana an’ireto mpanao fanatajahan-tena ireto, ny Minisitry ny harena an-kibon'ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, Fidiniavo Ravokatra, izay mpiahy ity taranja ity, androany, teny amin'ny Mining Business Center (MBC) Mamory Ivato mialohan'ny hihazoan'izy ireo ny Nosy Maorisy. Efa nanolotra 6 tapitrisa Ariary ny minisitra tamin'ny famondronana ireo mpilalao tany am-boalohany. Nampanantena sahady ity minisitra mpiahy ity fa omena tambiny manokana ireo mpilalao mandrombaka medaly volamena eo amin'ny taranja tenisy ambony latabatra. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 18 juillet 2019 12:07

    Kitra-CAN 2019: Laharana fahatelo i Nizeria

    Resin'i Nizeria tamin'ny isa 1 noho 0 i Tonizia nandritra ny lalao famaranana kely niadiana ny laharana fahatelo amin'ny fiadiana ny Amboaran'i Afrika amin'ny baolina kitra andiany faha-32.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 17 juillet 2019 22:09

    Lalaon’ny Nosy 2019: Hanainga rahampitso Alakamisy tolakandro ny delegasiona malagasy

    Rahampitso Alakamisy 18 jolay 2019 tolakandro no hiazo an’ny nosy Maorisy ny delegasiona Malagasy hiaro ny voninahi-pirenena mandritra ny lalaon’ny Nosy andiany faha-X, hotanterahina ny 19 ka hatramin’ny 28 jolay 2019. Ny Minisitry ny tanora sy fanatanjahantena Tinoka Roberto no hitarika ny delegasiona. Efa nialoha lalana omaly ny andiany voalohany, ahitana ireo mpikarakara ny fahatongavan'ny delegasiona any Maorisy sy ny mpilomano. Nofaranana androany ny fizarana ny fampitaovana an'ireo Atleta solontena Malagasy.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 17 juillet 2019 21:25

    Kitra - CAN 2019: Anio alina ny famaranana kely

    Hanao famaranana kely anio alina i Tonizia sy Nizeria, hiady ny laharana fahatelo amin’ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra, andiany faha-32, izay tanterahina any Egypta. Nahilik’i Sénégal tamin’ny isa tokana 1 noho 0 i Tonizia teo amin’ny manasa-dalana, resin’i Alzeria 2 noho 1 kosa i Nizeria.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 17 juillet 2019 20:12
    • Sary: MICA

    Lalaon’ny Nosy - Taranja lomano: Orinasa maro no mifarimbona manohana

    Niainga omaly hariva niazo ny nosy Maorisy ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny taranja lomano hiaro ny voninahi-pirenena amin'ny Lalaon'ny Nosy andiany faha-X, hotanterahina ny 19 ka hatramin’ny 28 jolay 2019. Nialoha ny niaingana dia nandray tso-drano sy vatsy avy amin'ny ministeran’ny indostria sy ny varotra ary ny asa tanana, sy ireo orinasa mpanohana, nahitana ny vondrona Taloumis, BIG, Chocolaterie Robert, Allianz, IPC, SIRAMA, ary avy amin-dRamatoa Minisitra Lantosoa Rakotomalala ny delegasiona. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 16 juillet 2019 17:19
    • Sary nindramina

    Lalaon’ny Nosy: Niainga androany tolakandro ny delegasiona mpikarakara sy ny taranja lomano

    Nizara fampitaovana ho an’ireo Atleta hiaro ny voninahitr’i Madagasikara amin’ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-X, izay hatao atsy Maorisy ny 19 ka hatramin’ny 28 jolay 2019 ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, androany. Handraisantsika anjara avokoa ireo taranja 15 izay hifaninanana. Nanainga androany tolakandro ny delegasiona hanomana ny fandraisana ireo Atleta any Maorisy sy ny taranja lomano. Ny alakamisy ho avy izao no hiainga ny delegasiona ambiny. Ny zoma 19 jolay 2019 amin’ny 06 ora hariva, ora eto Madagasikara, ny fanokafana ara-pomba ofisialy ity Lalaon’ny Nosy andiany faha-X. Ao amin’ny Kianjan’ny Anjalay Belle vue no hatao ny lanonana. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 16 juillet 2019 17:11

    Federasiona Malagasy Kitra: Dimy ny kandida ho filoha

    Andriamiasasoa Doda, filohan’ny Federasiona Malagasy Kitra teo aloha, ary Solombavambahoaka IRD voafidy tao Manjakandriana ; Rakotomamonjy Neypatraiky, filoha lefitra voalohan’ny Federasiona Malagasy Kitra teo aloha, ary Solombavambahoaka tsy miankina voafidy tao Ihosy ; Rakotobe Arizaka Raoul, filoha lefitra faharoan’ny Federasiona Malagasy Kitra teo aloha, ary filohan’ny CNAPS Football ; Rasoamaromaka Hery, filohan’ny Tanà Formation Football sady PDG Terrain synthétique ; Mohamad Abdillah, Mpitsara, mpitsara iram-pirenena, mpanofana mpitsara FIFA. Izy dimy ireo no nametraka antontan-taratasy firotsahan-kofidiana ho filohan’ny Federasiona Malagasy Kitra teo anivon’ny Comité de Normalisation FMF. Ny Comité de Normalisation FMF no hamoaka ny lisitra ofisialin’ireo kandida mahafeno fepetra. Amin’ny 24 aogositra 2019 no atao ny fifidianana izay filohan’ny Federasiona.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 16 juillet 2019 16:53
    • Sary: MAHTP

    Lalaon'ny Nosy: Sady tsara tso-drano no nahazo vatsy ny Maki an'i Madagasikara

    Fanamiana (Survêtement, Maillots, polos) sy vatsy ho an’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny taranja rugby na Maki an'i Madagasikara ho enti-miatrika ny lalaon'ny Nosy atsy Maorisy ny 19 ka hatramin’ny 28 jolay 2019. Vary kosa ho an'ny fianakavian'ireo mpilalao izay hiandry azy ireto eto an-toerana. Ireo no natolotry ny Minisitra mpiahy, Hajo Andrianainarivelo azy ireo tetsy amin’ny birao fiasany tetsy Anosy androany. Nitso-drano sy nampahery ny Maki an'i Madagasikara mba hibata fandresena hatrany ny minisitra. Tsy ho mandray anjara fotsiny intsony isika hoy izy, fa milalao mba ho mpandresy. Nanome toky ny mpilalao sy mpanazatra fa hitondra avo ny voninahitry ny firenena ary hitondra ny medaly volamena hody. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 15 juillet 2019 09:20

    Kitra-CAN 2019: Alzeria # Sénégal ny famaranana

    Nanilika an'i Tonizia tamin'ny isa 1 noho 0 i Sénégal taorian'ny fanalavam-potoana. Nivoaka mpandresy tamin'ny isa 2 noho 1 nanoloana an'i Nizeria kosa i Alzeria. Alzeria sy Sénégal no hiady ny amboara mandritra ny lalao hatao ny zoma 19 jolay. Hiady ny laharana fahatelo amin'ity fiadiana ny Amboaran'i Afrika amin'ny baolina kitra andiany faha-32 ity kosa i Tonizia sy Nizeria, lalao hatao amin'ny 17 jolay 2019.  
    Lire la suite ...
Page 1 sur 54