Sport

    • mercredi, 15 janvier 2020 20:38
    • Sary nindramina

    Kitra – CAN 2021: Hatao ny volana janoary sy febroary toy ny tany aloha

    Hotanterahina ny 9 janoary ka hatramin’ny 6 febroary 2021 ny dingana famaranana amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny baolina kitra, na ny CAN 2021, izay hatao any Cameroun. Vanimpotoanan’ny orana ny jona sy jolay any Cameroun, tsy toy ny tany Egypta ny taona 2019, ka izay no nandrosoana azy ho janoary-febroary, araka ny tapaka nandritra ny dinika nifanaovan’ny mpitondra any Cameroun sy ny mpitantana ny Kaonfederasiona afrikana amin’ny baolina kitra (CAF) tao Yaoundé, androany 15 janoary 2020. (Jereo sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mercredi, 15 janvier 2020 19:42
    • Sary nomena

    Nicolas Dupuis: Laharampahamehany ny hampakarana hatrany ny lentan'ny baolina kitra Malagasy

    « Consultant » na manampahaizana manokana miara-miasa amin'ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena i Nicolas Dupuis ankehitriny. Manana birao fiasany manokana etsy amin’ny lapan'ny Fanatanjahantena Mahamasina ny tenany, nanomboka ny talata 14 janoary 2020 . Nambaran’i Tinoka Roberto, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, nandritra ny fanolorana io birao sy fitaovana hiasan’i Nicolas Dupuis fa noho ny ezaka goavana nataon'ity Mpanazatra ity dia tafiditra anisan'ireo sangany aty Afrika ny ekipam-pirenena Malagasy. « Noporofoinao hoy Minisitra ny fitiavanao ny Barea, satria na dia teo aza ireo antso sy tolotra mampilendalenda avy amin'ireo tarika matanjaka, taorian'ireny vokatra manan-tantara tamin'ny CAN 2019 ireny, izay nahatafakatra an'i Madagasikara tany amin'ny ampahefa-dalana, dia tsy naharototra anao noho firaiketam-ponao amin'ireo mpilalao sy ny fankatoavanao ny fiangaviana ny tenanao hanohy ny asa maha mpanazatra, avy amin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Fitiavana lehibe indrindra izany ! »
    Lire la suite ...
    • samedi, 04 janvier 2020 19:54
    • Sary nomena

    Kianja BAREA: Haharitra 18 volana ny asa, hahazaka mpijery 40 880

    Hanomboka ny asa fanavaozana ny kianjan’i Mahamasina mba hanara-penitra. Mitentina 77 tapitrisa dôlara, vola madiodion’ny fanjakana malagasy, ny asa fanamboarana izay haharitra 18 volana, izay hitsinjara in-droa miantoana. Hisantarana azy ny « tribunes » izay harodana ary havaozina tanteraka ka hovitaina mialoha ny 26 jona 2020. Hitohy hatramin’ny volana jona 2021 ny asa. Hitondra ny anarana « Kianja BAREA » rehefa vita.  Hahazaka mpijery 40 880 ny kianja rehefa vita, ka 15 536 ny toerana eny amin’ny « tribunes » hiampy toerana vaovao miisa 9 704 ny eny amin’ny « gradins » ankoatra ireo 15 640 amin’izao fotoana izao.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 26 décembre 2019 15:21
    • Sary nomena

    Kitra: Notoloran’ny filoha « prime » mitentina 1 tapitrisa Ariary tsirairay avy ny Barea U20 vehivavy

    Noraisin’ny filoha Andry Rajoelina tao amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra androany alakamisy 26 desambra ny Barea U20 vehivavy, izay nandrombaka ny medaly volamena teo amin'ny « Tournoi UFFOI 2019 » natao tatsy amin’ny Nosy Maorisy. Notoloran’ny fitondram-panjakana « prime » mitentina 1 tapitrisa Ariary tsirairay avy ireo mpilalao miaraka amin'ireo mpikarakara ara-teknika noho izao vokatra azo izao, izay sambany teo amin'ny tantaran'i Madagasikara no nibatan’ny ekipam-pirenena vehivavy io amboara io.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 26 décembre 2019 12:08
    • Sary nindramina

    Kitra: Hisokatra ny AJESAIA Mampikony

    Hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny Zoma 27 desambra 2019 ny AJESAIA (Association des JEunes Sportifs de l'Avenir Inter-Arrondissement) Mampikony. Tonga eto an-tanindrazana hanome voninahitra manokana ny lanonana i Abel Anicet, kapitenin’ny Barea an’i Madagasikara ankehitriny, izy izay mpilalao fahiny tao amin’ny AJESAIA, sady zanaky ny Distrikan’i Mampikony rahateo koa. Isany hanamarika ity fotoana ity ny lalao ara-pirahalahiana hihaonan'ny AJESAIA (Pro League) amin’ny AS Justice D1 Mampikony hatao ao amin’ny Kianja Monisipaly. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 23 décembre 2019 08:50
    • Sary nindramina Net

    Espaina: Nahatsiaro ireo zaza sahirana ny mpanohana ny ekipan’ny Betis Séville amin’izao Noely izao

    Hetsika hafakely no nataon’ireo mpanohana ny ekipan’ny Betis Séville any Espaina amin’izao ankatoky ny Noely izao. Samy nivimbina « peluche » ka natsipin’izy ireo teny ambony kianja rehefa vita ny lalao nifanandrinan’ny Betis Séville sy ny Atlético, omaly, ho fanohanana ireo ankizy sahirana amin’izao fankalazana ny Noely izao. Niondrika teo anatrehan’ny Atlético tamin’ny isa 2 noho 1 ny Betis Séville io omaly io. (Jereo Sary Net)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 23 décembre 2019 08:47
    • Sary nindramina

    Baskety – Africa League TOP 16: Patriots 94 # 63 GNBC

    Niondrika tamin’ny isa 94 noho 63 nanoloana ny Patriots BBC Rwanda ny GNBC Madagasikara, nandritra ny lalao famaranana omaly tao Kigali renivohitr’i Rwanda. Tsy nahavita nanala vela ny GNBC. Tombony ho an’ny Patriots ny mpijery maro, izy rahateo nilalao teo an-taniny. Nanome voninahitra ity lalao famaranana omaly ity ny filohan'i Rwanda, Paul Kagame, izay niaraba manokana ny GNBC. Laharana faharoa tamin’iny fifaninanana ho an’ny faritra atsinanan’i Afrika iny ny GNBC, ekipan'ny Zandarimariam-pirenena Malagasy, ary dia tafiditra ho isan’ireo ekipa 12 mendrika aty Afrika, hifaninana hiady ny tapakila hiadiana ny tompondaka erantany indray manomboka amin’ny febroary 2020. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 22 décembre 2019 22:23
    • Sary nindramina

    Kitra – UFFOI U20 zazavavy: Tompondaka ny Barea Madagasikara

    Nahazo isa 10 tamin’ny lalao efatra vitany, ka fandresena telo sy ady sahala iray. Izay vokatra izay no nitondra ny Barea Madagasikara sokajy zazavavy latsaky ny 20 taona, ho tompondakan’ny UFFOI (Union des Fédérations de Football de l'Ocean Indien) taona 2019 nandritra ny fifaninanana natao tatsy amin’ny nosy Maorisy. Vondrona tokana no nisy ireo nosy dimy nandray anjara, ka teo amin’ny laharana faharoa taorian’i Madagasikara i La Réunion, fahatelo i Mayotte, fahaefatra i Maorisy mpampiantrano, ary fahadimy ny nosy Rodrigues. Tsy nandray anjara i Seychelles. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 22 décembre 2019 19:08
    • Sary nindramina

    Baskety – Africa League: Patriots BBC Rwanda # GNBC Madagascar ny famaranana

    Hotanterahina anio 22 desambra 2019, amin’ny valo ora sy sasany alina, ora eto Madagasikara, ny lalao famaranana ny Africa League Top 16, faritra Atsinanan’i Afrika, izay atao any Kigali renivohitr’i Rwanda. Hinaona amin’izany ny Patriots BBC Rwanda sy GNBC Madagascar. Fihaonana fanindroany ho an’io klioba roa tonta ireto io ; nivoaka mpandresy ny Patriots BBC Rwanda tamin’ny lalao voalohany. Toy ny hanala vela ny GNBC Madagascar, ekipan'ny zandarimariam-pirenena Malagasy, amin’ity famaranana ity.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 22 décembre 2019 19:01
    • Sary nindramina

    Baskety-Afroleague: Tafita hiatrika famaranana ny GNBC Madagasikara

    Lavon'ny GNBC, ekipan'ny Zandarimariam-pirenena Malagasy, tamin'ny isa 94 noho 90 teo amin'ny manasa-dalana omaly sabotsy 21 desambra ny Clube Ferroviario de Maputo avy atsy Mozambika. Tafita hiatrika ny famaranana amin'ny Afroleague faritra atsinanana ny GNBC. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
Page 1 sur 67