Antananarivo Renivohitra: Ampy ny tahirin-tsolika, ferana ho tavoahangy iray isan’olona ny entona fandrehitra

  • mercredi, 25 mars 2020 13:20

Mampahafantatra sy manome toky ny mpanjifa ny OMH (Antokondraharaha malagasy momba ny akoranafo) fa ampy tsara ny tahiry ary mizotra antsakany sy andavany tsy misy fahatapahany, ny famatsiana sy ny fitsinjarana ny entana rehetra toy ny solika sy ny entona fandrehitra manerana ny Nosy.

Noho ny antony ara-pandaminana, hoy ny OMH, dia ferana ho tavoahangy misy entona fandrehitra ho IRAY (01) ihany, isaky ny mpanjifa eto Antananarivo Renivohitra, na firy na firy ny lanjan’ilay tavoahangy, no vidiana mandra-piverenan’ny fitsinjarana amin’ny ara-dalàna.

Mihoatra 1 500 tavoahangy no vatsiana isan’andro eny amin’ireo toeram-pivarotana maro samihafa, ireo toby famarotana lasantsy sy ireo mpaninjara hafa, ka mety hisy indraindray ny fahataran’ny fitsinjarana, hoy ny fanazavana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.