Faritra Androy: Manomboka ny tetikasa vonjy aina iatrehan’ny mponina ny haintany

  • samedi, 22 février 2020 22:52
  • Sary: BNGRC

Kaominina miisa 58 ao amin’ny Faritra Androy no isany ianjadian’ny haintany tato anatin’ny efa-bolana teo, izay nampihantona ny orana.

Tonga tany Androy ny delegasiona tarihin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, androany sabotsy 22 febroary 2020, nanomboka ny tetikasa vonjy aina hamonjena ny mponina.

Hozaraina rano maimaimpona ny mponina, ary dia hisy kamiao vaovao mpitaona rano hitety ireo Kaominina hizara izany maimaimpona amin’ny mponina mandritra ny efa-bolana ho avy.

Nisy androany ny fitsinjarana ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro ho an’ireo fianakaviana hita fa tena marefo. Anisany nisitraka izany ny tao amin’ny Kaominina Maroalomainty Distrika Ambovombe Androy. Fonosana sakafo miisa 200, ahitana vary 10kg, legioma 5kg, siramamy 1kg, sira 1200g, trondro sardine ambifotsy miisa 3 ary menaka 1 litatra, isanisany avy no nozaraina. Tolo-tanana avy amin-dry zareo avy any Arabia Saodita nateriny tao amin’ny BNGRC ireto nozaraina ireto.

Natomboka androany koa ny tetikasa Vatsin’Ankohonana, ka anomezana vola eo amin’ny 210 000 Ariary isam-pianakaviana ho tohana amin’ny fiatrehany ny fiainana. Ny Banky Iraisam-pirenena no manohana ara-bola ity tetikasa ity.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.