IST Manakara: Hifanome tanana ho fanatsarana ity sekoly ambony ity ny ministera

  • mercredi, 19 février 2020 15:41
  • Sary: Mesupres

Nihaona tamin’ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Assoumacou Elia Béatrice tao amin’ny biraony eo Fiadanana, omaly 18 febroary, ireo Raiamandreny avy ao amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany.

Niaraha-nidinika ny fomba hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana sy hanomezana sehatra mampiroborobo ny kalitao, sy mitsinjo ireo mpianatra. Anisan’izany ny fanatsarana ny sampana fampianarana izay sahanin’izy ireo ao amin’ny IST Manakara, miompana indrindra amin’ny fambolena sy fiompiana.

Vonono ny hifanome tanana amin’ny fanatanterahana ireo dingana rehetra ho fanatsarana ity sekoly ambony ity ny ministera.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.