Soamahamanina: Zanaka tapia 3500 no novolena androany

  • samedi, 08 février 2020 18:57
  • Sary: MEDD

Nifarimbona namboly hazo tao amin'ny Fokontany Mandrosoa, Kaominina Soamahamanina, Faritra Itasy, androany, ny Ministeran'ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy sy ny foibem-pitondrana ankapobeny misahana ny tetikasan’ny filoha-pirenena ary ny Faritra Itasy. Tanjona manokan'ny Ministera ny hamerina indray ny ala tapia izay mitahiry ny vakoka maha-malagasy.

Zana-kazo 6000 no novolena ka Zanaka tapia ny 3500 tamin’izany, nifarimbonana niaraka tamin’ny Fokonolona teny an-toerana.

Ny ala tapia no iveloman'ireo landy izay mampiavaka antsika Malagasy. Ao amin'ny Faritra Itasy sy Amoron'i Mania ihany no ahitana ala tapia sy ny landy eto Madagasikara.

Zana-kazo 100 000 no tanjon'ny ONG DEFI izay miaro ny tontolo iainana sy ny Ala tapia aty Itasy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.