Coronavirus: Maty ilay dokotera sinoa nanao fanairana voalohany amin’ny fisian’ity valanaretina ity

  • jeudi, 06 février 2020 23:17
  • Sary nindramina

Nindaosin’ny fahafatesana, androany zoma 07 febroary, i Dr Li Wenliang, dokotera miasa ao amin’ny hopitalin’i Wuhan, ary nanao fanairana voalohany amin’ny fisian’ny valanaretina Coronavirus sy ny zavadoza aterany ny 30 desambra 2019.

34 taona i Dr Li Wenliang, dokotera maso izy, ary ny 30 janoary 2020 no voamarina fa voan’ny coronavirus, dia izao maty izao.

Nisy fanjevoana ihany izy ity, raha nilaza omaly ny OMS sy ireo angom-baovao maro fa maty omaly alakamisy 06 febroary izy, nefa avy eo nandiso izany indray ny hopitaly mbola nitsabo azy fa tsy maty izy, fa manaraka fitsaboana na dia sarotra aza, fa tamin'ny 2 maraina dia nanambara ny hopitaly fa maty i Dr Li Wenliang.

Ity dokotera ity moa dia nolazaina fa nanaparitaka vaovao tsy marina momba ny fisian'izany aretina izany, ka dia niteraka resabe tany Chine tamin'ny tambazotra serasera, nasaina nanao sonia mihitsy izy tsy hiresaka momba izany Coronavirus izany. Rehefa nihamaro anefa ireo maty vao niaiky ny fitondrana sinoa amin'ny fisian'ny valan'aretina.

565 izao no matin’ity Coronavirus ity, ka any Chine ny 563, tao Hong Kong ny iray, ary tany Philippines ny iray.

30 000 eo no hita misy ny soritr'aretina, manao antso maneran-tany ny Chine hanampy azy amin'ny ady amin'ity valan'aretina ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.