Traboina noho ny rano be: Niainga androany ireo fanampiana avy amin’ny BNGRC

  • mercredi, 05 février 2020 22:35
  • Sary nindramina

Nanainga androany 05 febroary 2020 maraina ireo kamiao miisa enina, izay hanatitra an’ireo fanampiana avy amin’ny BNGRC ho an’ny traboina any amin’ireo faritra izay voa mafy tamin’ilay ranobe ny volana janoary teo. Hisitraka izany ireo traboina ao amin’ny Distrikan’Ambato-Boeny sy Mampikony ary Port Bergé.

Toy izany koa ireo traboina tao amin’ny Kaominina Tsaramasoandro, Anjiajia, Andranofasika ary Ambondromamy izay amin’iny lalam-pirenena faha-4 iny.

Tokantrano miisa 3 198 no voakasik’ity fanampiana niainga androany ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.