CRAAD-OI sy ny Fikambanana TANY: Mitsipaka ny fanomezana tany 60 000 ha ho ampiasain’ny orinasa Elite Agro LLC

  • mercredi, 05 février 2020 18:27

Nanao fanambarana miaraka ny CRAAD-OI (Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives de Développement - Océan Indien) sy ny Fikambanana TANY manohitra ny fanomezana tany 60 000 hekitara eto Madagasikara ho ampiasain’ny orinasa Elite Agro LLC avy any Emirats Arabo Mitambatra.

Tsipahanay ny fampiasàna io karazana fiombonana antoka io hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, hoy ny fanambarana, satria « fananana iombonan’ny vahoaka Malagasy ny tany fa tsy entam-barotra ».

Toherinay mafy, hoy hatrany ny fanambarana, ny paik’ady nosafidian’ny mpitondra izay miantehatra indrindra amin’ny mpampiasa vola sy ny vondron’orinasa avy amin’ny firenena vahiny eran-tany amin’ny fambolena ny tany malagasy, fa tsy manao ho laharam-pahamehana ny fampiroboroboana ny hery velon’ny firenena amin’ny alàlan’ny fampitomboana isa hatrany ny fepetra fanohanana sy fanampiana ny tantsaha sy ny mpandraharaha avy eto an-toerana.

Niroso tamin’ny fitadiavana mpiara-miombon’antoka ny Ministeran’ny fambolena, fiompiana ary ny jono hanampy hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ho an’i Madagasikara, indrindra amin’izao taona 2020 izao, izay hankalazantsika ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantena ho fantanterahana ny Veliranon’ny Filohan’ny Repoblika. Vita sonia ny fifanekena fiaraha-miasa lasitra (Memorandum of Understanding) eo amin’ny ministera sy ny vondron’orinasa lehibe « Elite Agro LLC » izay manana ny foibeny any Abu Dhabi, Emirats Arabes Unis, araka ny tati-baovao nataon’ny ministera tamin’ny 16 janoary 2020.

Manohitra ny fanomezana tany malagasy ho ampiasain’ny rafitra vahiny – na olona io, na orinasa na firenena, na varotra na fampanofàna na fampindramana na fanomezana no raharaham-barotra atao, ary na manahoana na manahoana ny faharetan’ny fotoana hampiasàny azy ny CRAAD-OI sy ny Fikambanana TANY tao amin’ny fanambaràna nataony.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.