Faritra Atsinanana: Zanakazo miisa 1 271 933 fototra no hovolena

  • samedi, 18 janvier 2020 17:09
  • Sary nindramina

Homarihina rahampitso alahady 19 janoary ny fanombohan’ny taom-pambolenkazo taona 2020. Ho an'ny Faritra Atsinanana dia amina velaran-tany mirefy 778,7 hektara no hanaovana izany, manomboka any Marolambo hatrany Mahavelona Foulpointe, ary zanakazo 1 271 933 fototra no hovolena amin'izany.

Mirefy 40ha kosa ho an'i Toamasina-I, ka hatao any Antetezana, 37km miala an'i Toamasina tampon-tanana, ka zanakazo 600 000 fototra no hovolena amin'izany.

Misy ny tolo-tanana hanofàna fiara hitatitra ireo olona te andeha hamboly hazo any Antetezana tanterahina manoloana ny « Esplanade » lapan’ny tanànan’i Toamasina androany sabotsy tontolo andro.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.