Antsirabe: Nizara vatomamy ho an’ny rehetra ny mpiasan’ny Tahirimbolam-panjakana

  • lundi, 16 décembre 2019 21:21
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Hetsika miavaka no nentin’ny sosialin’ny mpiasan’ny Tahirimbolam-panjakana Antsirabe anamarihana ny fetin’ny Noely 2019 ity. Nizara vatomamy ho an’ireo olona rehetra nanan-draharaha tao aminy izy ireo nanomboka androany 16 desambra, ary hitohy hatramin’ny 24 desambra izao.

Nambaran’i Mbola, filohan’ny sosialy eo anivon’ny Tahimbolam-panjakana Antsirabe fa hetsika efa fanaon’izy ireo ity, saingy novelarina bebe kokoa ho an’ny daholobe tamin’ity indray maka ity, ary heverina fa hotohizana.

« Latsakemboky ny mpiasa no anatanterahina izao asa sosialy fizarana vatomamy ho an’ireo rehetra manan-draharaha ao amin’ny Tahirimbolam-panjakana Antsirabe izao », hoy i Mbola.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.