EPP Ambodirano Ampefiloha: Honeran’i Andry Rajoelina ny saram-pisoratana anarana, horaisina ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra ao

  • mercredi, 06 novembre 2019 22:37
  • Sary nomena

Nidina teny Ambodirano Ampefiloha, Boriborintany faha-4 Antananarivo Renivohitra nizara fitaovam-pianarana, nahitana kitapo, kahie sy penina ho an’ireo mpianatra ao amin’ny EPP ao an-toerana ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina androany 06 novambra 2019. Ireo mpianatra hanala fanadinam-panjakana kosa dia nahazo rakibolana sy «tablette» ankoatra ireo fitaovam-pianarana ireo.

Nasian’i Andry Rajoelina tsindrim-peo manokana ity rakibolana vaovao ity, izay hozaraina amin’ireo mpianatra rehetra hanala fanadinana manerana an’i Madagasikara.

Nampanantena ny filohan’ny Repoblika fa honerany ny vola saram-pisoratana anarana naloan’ny ray aman-dreny tao amin’ity sekoly ity. Noraisina ho mpiasam-panjakana ihany koa ireo mpampianatra miisa valo tao amin’ity EPP Ambodirano Ampefiloha ity.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.