Fikambanana SAFIDY: Manentana ny olom-pirenena hifidy

  • vendredi, 01 novembre 2019 19:59
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Nanantotosa loa-bary an-dasy teto Antsirabe ny SAFIDY na ny “Sampana Anaraha-maso ny fifidianana, Ivon’ny Demokrasia Ifarombonana”, ny talata 29 oktobra teo, ho fiatrehana ny fifidianana.

Sampana iray mivondrona ao anatin’ny vovonana ROHY ity fikambanana ity, ka tanjona ho azy ireo ny hanentana sy hampiakatra ny tahan’ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena, mba hifidy amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna hatao amin’ny 27 novambra ho avy izao.
Hanara-maso ny fifidianana izy ireo, ary hampakatra izay endrika tsy fanarahan-dalàna amin’ny ambaratonga tokony hanaovana izany.

Tsy dia nahasarika firy ny olona ity loa-bary an-dasy teto Antsirabe ity, asa na fanentanana no tsy ampy na fahalainana tokoa.

Manana solontena manerana an’i Madagasikara ny SAFIDY satria voalaza fa miisa 8 000 izy ireo no mielipatrana manerana an’i Madagasikara, ary misy azy ireo avokoa ireo Distrika 119 manerana ny Nosy.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.