Morombe: Ny Fokonolona mikarakara mikajy, ny Srilankey manao be fiavy manjono

  • mercredi, 09 octobre 2019 19:30
  • Sary nomena

Malahelo ny mpanjono madinika aty Morombe manolona ny firodorodon’ny Srilankey, miaraka amin’ny fitaovana maro sy fahazoan-dalana hanjono sy hanangona haren-dranomasina.

Misy Fokonolona mitantana ny fari-dranomasina aty Morombe. Efa an-taonany maro ny Fokonolona no nanao ireo asa « conservation marine » aty, mba hitantanana maharitra ny hazandranomasina, ka gaga izy ireo amin’ny fidiran'ireo vahiny ireo, tonga hanjono aty Morombe, miaraka amin’ny fitaovana tsy mbola fampiasan'ireo mpanjono madinika ety an-toerana.

Mihenjan-droa ny tady satria ankilany tsy mbola eken'ny Fikambanana mpanjono hiandriaka ireo Srilankey, ireto farany kosa manizingizina fa tsy maintsy hanao andrana. Mizara vary sy manampy ireo Fokonolona eto an-toerana ihany ireo Srilankey mba hambaboana azy ireo hanaiky ny fitrandrahana.

Milaza ny handefa iraka ho any Antananarivo ireo fikambanana mpanjono mandinika, hihaona amin’ny tompon'adraikitra mahefa hamahana ny olana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.