Vatsim-pianarana CRBC: Tonga any Xi'an ireo mpianatra malagasy 15 mianadahy handalina momba ny asa vaventy

  • mardi, 10 septembre 2019 21:02
  • Sary nindramina

Tonga soa amantsara ao Xi'an renivohitry ny faritanin’i Shaanxi any Chine ireo mpianatra malagasy 15 mianadahy, nahazo vatsim-pianarana handrato fahaizana any an-toerana.

Mpianatra avy amin'ny polyteknika Vontovorona sy IST izy ireo, ary haharitra dimy taona ny fianarany any Chine, amin'ny lalam-piofanana injenieran'ny Asa Vaventy, araka ny vatsim-pianarana nomen'ny orinasa China Road and Bridge Corporation (CRBC) azy ireo, tamin'ny alalan'ny ministeran'ny Fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny Asa Vaventy.

Voalohany eo amin'ny tantaran'ny fifandraisana eo amin'ny firenena Sinoa sy Madagasikara no nisy fanomezana vatsim-pianarana avy amina orinasa tsy miankina. Manomboka izao dia tsy maintsy manao tamberin'andraikitra ara-sosialy ireo orinasa rehetra manatanteraka tetikasa eto amintsika.

Natao ny zoma 06 septambra 2019 ny lanonana fitsofan-drano ireo mpianatra misitraka izany vatsim-pianarana izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.