Filoha Andry Rajoelina: Maniry hanangana « Fondation »

  • mardi, 10 septembre 2019 20:45

Naka ny hevitry ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ny filohan’ny Repoblika, raha mifanaraka amin’ny Andininy faha-49 ao amin’ny Lalampanorenana ny fananganana « Fondation », izay rafitra tohanan’ny olontsotra tsara sitrapo na orinasa manao tolo-tanana hanaovana asa soa ho an’ny daholobe.

Voaray ao amin’ny firaketan’ny HCC ny 6 septambra 2019, nifanojo indrindra tamin’ny andro nanombohan'ny fitsidihana Apostolika nataon’ny Papa Ray Masina Fransoa teto Madagasikara, io taratasin’ny filohan’ny Repoblika io.

Ny Andininy faha-49 amin’ny Lalampanorenanana dia milaza fa « Ny asan’ny Filohan’ny Repoblika dia tsy azo ampirafesina aminà asampanjakana nahavoafidim-bahoaka, asa aman-draharaha hafa, asa ao anatin’ny antoko politika, vondrona politika, na fikambanana, ary fisahanana andraikitra eo anivon’ny fikambanampivavahana.

Izay rehetra fandikana ireo fepetra voalazan’ity andininy ity, voamarin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, dia zary ho antony amin’ny tsy fahafahana miasa tanteraka ho an’ny Filohan’ny Repoblika ».

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.