Fanadinana BEPC: 21 467 ireo mpiadina manerana an’i Vakinankaratra

  • mardi, 10 septembre 2019 08:56
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Nilamina ny fanombohan’ny fanadinana BEPC tamin’ireo fari-piadidiam-pampianarana miisa fito ato amin’ny faritra Vakinankaratra omaly alatsinainy 09 septambra, hoy ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena, ny fanofanana teknika sy arak’asa DRENTP Vakinankaratra, Rakotoarimanana Heriniaina.

Miisa 21 467 ny mpiadina voasoratra anarana ka ato amin’ny Cisco Antsirabe ny 5 706 amin’ireo. Mitsinjara amin’ny foibem-panadinana miisa 78 manerana ny faritra izy ireo. 9 taona ny zandriny indrindra amin’ireo mpiadina, izay avy any amin’ny Cisco Mandoto, ary 51 taona no zokiny indrindra avy ao Betafo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.