Peace Corps: Miisa 35 no miasa aty Madagasikara

  • samedi, 24 août 2019 17:09

Ny Peace Corps dia mandefa mpilatsaka an-tsitrapo amerikanina hiasa aty Madagasikara mandritra ny roa taona miaraka amin'ireo vondrona ifotony mba hiatrehana ireo fanamby maika eo amin'ny sehatry ny fahasalamana, ny fambolena ary ny fanabeazana.

Miisa 35 ireo mpilatsaka an-tsitrapo amerikana an’i Peace Corps ankehitriny no miasa eo amin’ny sehatry ny fambolena eny anivon’ny fiarahamonina, any amin'ny faritra 13 eto amin'ny firenena.

Miara-miasa ary mitovy andraikitra amin’ny Malagasy ireo mpilatsaka an-tsitrapo ireo amin’ny famokarana sakafo ara-pahasalamana sy ny fanjarian-tsakafo eny amin'ny fiarahamonina misy azy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.