Toby Jeneraly Ramarolahy - Betongolo: Fanaovam-beloma farany an'i CB Befandriana Avaratra

  • jeudi, 08 août 2019 22:21
  • Sary ZP

Nisy ny seremonialy miaramila, nanaovana veloma farany ny nofo mangatsiakan’ny GPCE Solohery, Komandin’ny Tobim-paritry ny Zandarimaria Befandriana Avaratra notanterahina tao amin’ny Toby Jeneraly Ramarolahy etsy Betongolo Antananarivo, androany 08 aogositra 2019 maraina.

Naratra mafy nandritra fanafihan-jiolahy nitranga tao Befandriana Avaratra ny alin’ny 29 jolay 2019 izy. Naratra niaraka taminy ny Ben'ny tanànan'i Belalòna. Nakarina tamin’ny fiaramanidina teto Antananarivo, notsaboina tao amin’ny hopitaly Miaramila Soavinandriana izy ireo, ny andro nisehoan’ny fanafihana, noho ny ratra mafy nahazo azy ireo.

Nodimandry ny voalohan'ny volana teo ny Ben'ny tanànan'i Belalòna. Nodimandry ny 07 Aogositra 2019 tamin’ny 12 ora atoandro ny GPCE Solohery, na dia nanao ny alanenina rehetra aza ny mpitsabo.

Nakarina eo amin’ny laharan’ny Zandary prinsipaly kilasy manokana, ary notolorana mariboninahim-pirenena aorian’ny fahafatesana izy.

Namela manano-tena sy kamboty roa ny GPCE Solohery izao nodimandry izao. Noentina namonjy an’i Mahasoabe Fianarantsoa, misy ny fasan-drazany ny nofo mangatsiakany.

Efa voasambotry ny Zandary ny iray amin’ireo jiolahy nanafika ny alin’ny 29 jolay 2019 ; lavo nandritra ny fanafihana ny iray. Karohin’ny Zandary fatratra ireo efatra sisa.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.