Papa Fransoa: Mpanao gazety 450 no hampiaina ny fitsidihany eto Madagasikara

  • mercredi, 07 août 2019 13:17
  • Sary nindramina

Ho avy eto Madagasikara ny Papa Fransoa ny 6 ka hatramin’ny 10 septambra 2019. Papa Ray Masina Katolika faharoa hitsidika an’i Madagasikara izy tato anatin’ny telopolo taona. Mpanao gazety 450 no hampiaina ny fitsidihan’i Papa Fransoa eto.

70 amin'izy ireo dia manaraka azy any anaty fiaramanidina, avy amin’ireo fampahalalam-baovao avy any Vatican, izay manaraka an'i Papa, tafiditra amin'ilay antsoina hoe "Presse Papale" toy ny RAI, Vatican News, KTO, sns...

125 hafa dia avy amin'ny sehatry ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena. Ny ambiny dia mpanao gazety Malagasy avokoa.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.