Vola taratasy simba: Afaka atakalo eny amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara

  • lundi, 05 août 2019 20:16
  • Sary nindramina

Mampahatsiahy ny Banky Foiben’i Madagasikara fa afaka atakalo eny amin’ny « guichet » natokana ho amin’izany, eny amin’ny Ivotoeran’i BFM eto Antananarivo sy eny anivon’ireo masoivohony miisa 15 manerana ny Nosy, ireo vola taratasy simba. « Maimaimpoana, tsy misy tambiny ny fanakalozana, ary mitovy ny sandan’ny vola atakalo sy averina », hoy ny fampitam-baovao.

Manentana ny tsirairay ny Banky Foibe hanaja sy hikojakoja ny vola taratasy, ho fitsinjovana ny mpampiasa vola izay mikirakira azy ireny isan’andro, na amin’ny fitahirizana, na amin’ny fifanakalozana isan-karazany. « Fadio ny mandena, ny mandoto, ny manoratra, na mamatotra amin’ny fingotra sy manapaingotra ary mamoriporitra ny vola », hoy ny fanentanana ataon’ny BFM.

Lafo ho an’ny firenena ny fanamboarana, ny fanafarana sy ny fanapariahana ireo vola taratasy, izay atao any ivelany hatreto.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.