CNaPS: Nanao fanamiana miavaka ny tao amin’ny foibe Ampefiloha

  • jeudi, 11 juillet 2019 13:20
  • Loharanom-baovao CNaPS Madagascar

Niavaka ny fanamiana sy fandraisana ireo olona tonga mikarakara taratasy etsy amin’ny foibe CNaPS Ampefiloha androany, ho fiarahana miombom-po amin’ny Malagasy amin’izao andro iatrehan’ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny baolina kitra na Barea an’i Madagasikara ny lalao ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra, andiany faha-32, tanterahina any Egypta.

Anisan’ny nahatafiakatra ny Barea an’i Madagasikara tamin’ny fifanintsanana CAN teny amin’ny Kianjan’ny CNaPS Vontovorona i Njiva mpilalao CNaPS Sport taloha ; ary i Leda izay mpiandry harato izay isan’ireo mpilalao nosafidian’ny mpanazatra Nicolas Dupuis.

(Loharanom-baovao CNaPS Madagascar)

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.