Zaza very – « Kidnapping »: Nametraka laharana finday azo antsoina ny CFOIM

  • mardi, 02 juillet 2019 15:39
  • Sary fanehoana

« Ombay mitady » ny teny hita matetika an-gazety na amin’ny tambazotra sosialy manoloana ny fahaverezan-jaza na tranga fakana an-keriny. Nametraka laharana finday azo antsoina amin'ny fotoana rehetra, na aiza na aiza eto Madagasikara ny fikambanana CFOIM na ny « Collectif Français d'Origine Indienne de Madagascar ».

Tsy ny teratany vahiny toy Karana na Frantsay ihany no iharan’ny fakana an-keriny na fahaverezana, hoy hatrany ny CFOIM, fa lasibatra ihany koa tato ho ato ny teratany Malagasy.

Ireo rehetra manam-baovao, na manana zaza very, na zaza nandositra niala ny tokantrano, na nisy naka an-keriny, dia afaka miantso ireo laharana finday ireo. Arovana ny tsiambaratelon'izay manome vaovao. Afaka miverina miantso ny CFOIM ho an'ireo izay tsy ampy fahana.

Mandray ny andraikiny avy hatrany ny CFOIM vao mahazo antso, hanampiana hikarohana ireo very, na hanavotana ireo nalaina an-keriny.
Miara-miasa akaiky amin'ny mpitandro ny filaminana sy ny Fitsarana ny CFOIM, ka vao maharay antso, dia afaka manetsika avy hatrany ireo rantsamangaika ahitana ny marina.

Ireo laharana azo antsoina amin'ny fotoana rehetra na aiza na aiza:

034 81 121 21
033 31 121 21
032 21 121 21

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.