CHRR Antsirabe: Nahazo toeram-pitsaboana "Maman Kangourou"

  • mardi, 11 juin 2019 19:28
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Nahazo ny "Centre de soin Maman Kangourou" ny hopitaliben'Antsirabe, notokanana androany talata 11 jona, izay ahitana efitrano natokana handraisana ireo renin-jaza miteraka zaza tsy ampy lanja na latsaky ny roa kilao sy sasany.

Ny Fondation Orange Madagascar sy ny fikambanana Compassion Madagascar no nahazoana izao fanatsarana izao.

200 isam-bolana eo ny Reny miteraka ao amin'ny Hopitaly Atsimo na CHRR Antsirabe, ka ny 10% n'izany no mbola tratran'izay tsy fahampian-danja izay, ka zava-dehibe ny fahazoana ity toerana ity.

Isan'ny paika manomboka malaza maneran-tany ity "Maman Kangourou" ity, izay mpitsabo kolombianina no nahita izany, ary manan-tombo kokoa noho ny fampiasana ny fitaovana "couveuse".

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.