Mpitsirika sy Mpanaramaso ny masomboly: Nisy 106 mianadahy nianiana teo anoloan’ny Fitsarana

  • mercredi, 05 juin 2019 09:23
  • Sary MAEP

Ny Alatsinainy 03 Jona 2019 no nanatanterahan’izy ireo ny fianianana teo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy – Antananarivo rehefa nahavita ny fiofanana mahakasika ny fomba famokarana masomboly sy ny lalàna mifehy ny masomboly.

Hiasa eny anivon’ny Faritra 22 eto Madagasikara izy ireo, ary hiantoka feno ny fanaraha-maso ny famokarana masomboly sy ny fampanarahan-dalàna izany.

Afaka manampy ara-teknika ireo mpamokatra masomboly ihany koa izy 106 Mpitsirika sy Mpanaramaso ireto ho fampanarahana fenitra ny masomboly eto Madagasikara.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.