Fiandrianam-pirenena: Mila Tafika matanjaka

  • mardi, 14 mai 2019 15:26
  • Sary nindramina

Jerena ivelany dia hoe nahoana no nahafoy miaramila roa maty, ary maromaro hafa naratra, nanavotra olona roa mpizahatany voatazona takalon'aina.

Fa izay no antsoina hoe fiandrianam-pirenena, raha vao ny olom-pirenena any aminy no misy mahazo azy, dia ny Firenena, ny Tafika no tonga manavotra azy, ny Firenena tsy miondrika fa midaroka izay mikasika ny olom-pireneny.

Frantsay 2 no nisy naka takalon'aina tany Burkina Faso, Bénin, tonga tany an-toerana anavotra ireo Frantsay ireo ny commando frantsay, lavo ny miamamila roa, nisy no naratra, avotra kosa ny takalon'aina frantsay roa, ary nisy koreanina tatsimo sy amerikanina koa tao anatin'ireo takalon'aina avotra, izay efa nandritra ny fanavotana vao fantatra ny fisiany tao.

Ilay Béninois guide dia novonoin'ireo mpaka an-keriny tamin'ny fomba feno habibiana.

Ny Filoham-pirenena frantsay mihitsy no tonga niondrika nanoloana ireto mahery fo ireto.

Patrick

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.