Fitsaboana ny homamiadana: Hanome “machine de radiothérapie” i Inde

  • vendredi, 03 mai 2019 19:57
  • Sary nindramina

Hanampy amin’ny fanatsarana ny fandraisana an-tànana ireo marary voan’ny homamiadana ny fahazoan’i Madagasikara ity “machine de radiothérapie” avy amin-dry zareo Indiana ity, ary tsy ho ela ny hanolorana izany amin’ny fomba ofisialy.

Ankoatra izany, nodinihina ny fiaraha-miasa mahakasika ny fananganana fotodrafitrasa handraisana an-tànana ireo marary voakasik'ireo aretina tsy maintsy tsaboina any ivelany, toy ny aretina mpahazo ny voa.

Nivoitra io nandritra ny fitsidihana ombam-panajana nataon’ny ambasadaoron’i Inde, miasa sy monina eto Madagasikara, Abhay KUMAR, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr Julio Rakotonirina.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.